Ny olona miambina

Mofonaina anio: Alarobia, faha 12 Martsa 2025

Salamo 30. 1-5 - FF1 - Vavaka - FF 39

Apokalypsy 3,1 - 6
1 [Sardisy] Ary soraty ho amin'ny anjelin'ny fiangonana* any Sardisy: Izao no lazain'ilay manana ny Fanahy fiton'Andriamanitra sy ny kintana fito: Fantatro ny asanao, fa manana anarana ho velona ianao, kanjo maty ihany. [* Gr. eklesia] 2 Miambena*, ka aoreno tsara ny zavatra sisa izay saiky maty; fa tsy nisy hitako** tanteraka ny asanao eo anatrehan'Andriamanitro. [* Gr. Miareta tory] [** Na: (tsy hitako)] 3 Dia tsarovy ny amin'ny nandraisanao sy ny nandrenesanao, ary tano mafy, ka mibebaha. Koa raha tsy hiambina* ianao, dia ho tonga toy ny fihavin'ny mpangalatra Aho, ka tsy ho fantatrao izay ora hihaviako aminao. [* Gr. hiari-tory] 4 Kanefa misy olona* vitsy at? aminao at? Sardisy izay tsy nandoto ny fitafiany; ary hiara-mandeha amiko mitafy lamba fotsy ireo, satria miendrika Izy. [* Gr. anaranana] 5 Izay maharesy dia hitafy lamba fotsy tahaka ireo koa, ary tsy hamono ny anarany eo amin'ny bokin'ny fiainana tokoa Aho, fa hanaiky ny anarany eo anatrehan'ny Raiko sy eo anatrehan'ny anjeliny. 6 Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino izay lazain'ny Fanahy amin'ny fiangonana*. [* Gr. eklesia]

«…fa tsy nisy hitako tanteraka ny asanao anatrehan’Andriamanitro.» (And. 2)

Nazoto nivavaka ny Fiangonana tany Sardisy saingy tamin’ny endrika ivelany fotsiny ihany. Hany ka tsy tanteraka teo anatrehan Andriamanitra ny asany. Ny hoe « tanteraka » dia midika hoe matotra, mifanaraka amin’ny takiana aminy. Manoloana izany, mila miambina amin’ny fanaovana ny asan’ Andriamanitra mba hifanaraka amin’ny toe-panahy takiana amin’ny asa, dia ny fananana finoana. Ny asa atao amin’ny finoana no asa tanteraka. Ka ny asa rehetra ataon’ny mpino dia asa atao amin’ny finoana fa izany no ankasitrahan’ Andriamanitra ao amin’i Kristy Jesoa.

« Dia tsarovy ny amin’ny nandraisanao sy ny nandrenesanao, ary tano mafy, ka mibebaha.» (And. 3)

Ny Fiangonana tany Sardisy dia efa nandray ny tenin’Andriamanitra saingy tsy niaina ny finoana araka filazantsara. Mila miverina amin’ny fiainana sy fankatoavana ny Tenin’Andriamanitra izy ireo. Toy izany ihany koa isika kristiana, efa nandre ary tsy mitsahatra mandre ny Tenin’Andriamanitra isika kanefa tsy miaina izany akory. Mampahatsiahy antsika izao teny izao, mba hiverenantsika amin’ny fiainana izany tenin’ Andriamanitra izany. Mariky ny fiambenana sy fiarovan-tena amin’ny fitsaran’i Kristy ny fiainana ny Tenin’Andriamanitra. Koa miorena tsara.

Inona no sakana tsy ahafahanao miaina ny filazantsara?