Ny olona miaina ny fiantsoana
Mofonaina anio: Talata, faha 15 Jolay 2025
(Sal 95.1-5 / Hira 6 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / HF16)
Efesiana 4. 1-6
1 [Fananarana azy mba hifanara-tsaina sy haharitra ary handroso tsara] Ary noho izany izaho, mpifatotra noho ny amin*'ny Tompo, dia mangataka aminareo mba handeha miendrika ny fiantsoana izay niantsoana anareo, [* Gr. ao amin'] 2 amin'ny fanetren-tena rehetra sy ny fahalemem-panahy, amin'ny fahari-po mifandefitra amin'ny fitiavana, 3 mazoto mitana ny firaisana avy amin'ny Fanahy amin'ny fehim-pihavanana. 4 Iray ny tena, ary iray ny Fanahy, dia toy ny niantsoana anareo ho amin'ny fanantenana iray momba ny fiantsoana anareo; 5 iray ny Tompo, iray ny finoana, iray ny batisa, 6 iray Andriamanitra sady Rain'izy rehetra, Izay ambonin'izy rehetra sy manerana azy rehetra ary ao amin'izy rehetra.Ny olona miaina ny fiantsoana
1- Miombona ao amin’i Kristy
«…. dia mangataka aminareo mba handeha miendrika ny fiantsoana izay niantsoana anareo » (And. 1)
Ny fiombonan’ny mpino dia tokony hiseho amin’ny atao co amin’ny fiarahamonina araka ny modely nomen’i Kristy. Andriamanitra no niantso ny olona. Satria namaly izany antso izany ny tena Kristiana. Noho izany dia tokony ho hita eo amin’ny fomba iarahany míaina ny fiombonana. Araka izany, noho ny amin’ny fiantsoan’ Andriamanitra dia miombona ny mpino. Tsy miombona mba ho voaatso akory, fa miombona satria samy olom-boaantso ao amin’i Kristy. Ny fahatsapan’ny olona tsirairay ao anatin’ny Fiangonana fa samy olom-boantso no manery azy tsy maintsy hiombona.
2- Manetry tena
« amin’ny fanetren-tena rehetra sy ny fahalemem-panahy, amin’ny fahari-po mifandefitra… » (And. 2)
Ireto toe-panahy ireto no voalaza fa tokony hananan’ny olom-baantso: fanetren-tena, fahalemem-panahy, fahari-po, mifandefitra. Ny fahalemem-panahy eto dia tahaka ny biby fiompy nofolahana hanompo ny olombelona. Toy izany koa, ny Kristiana dia nomanina hifanompo fa tsy hifaninana. Ka ny fiombonana no omena lanja amin’izany fa tsy ny tena manokana. Amin’ny faharetana no ananana izany fahalemem-panahy izany; dia tahaka an’Andriamanitra Izay maharitra amintsika ihany. Ary tokony ho tsaroana mandrakariva fa ny fahalemem-panahy sy ny faharetana dia samy vokatry ny Fanahy (Gal.5. 22. 23).
Fanontaniana :
Inona avy ireo sakana amin’ny fiombonan’ny mpino?
Sampana Sekoly Alahady Foibe