Ny olona matoky an’Andriamanitra

Mofonaina anio: Alahady, faha 28 Novambra 2021

SALAMO 16.7-11

SALAMO 16.7-11
7 Hisaotra an'i Jehovah Izay manome saina ahy aho; ary na amin'ny alina aza dia mananatra* ahy ny foko**. [*Na: mamporisika][**Heb: voako] 8 Ataoko eo anatrehako mandrakariva Jehovah, fa eo an-kavanako Izy, ka dia tsy hangozohozo aho. 9 Izany no ifalian'ny foko sy iravoravoan'ny fanahiko*; eny, ny nofoko aza hitoetra tsy manana ahiahy.[Heb: voninahitro] 10 Fa tsy ho foinao ho any amin'ny fiainan-tsi-hita* ny aiko; tsy hamela ny Iray Masinao ho latsaka ao amin'ny** lavaka*** Hianao.[*Heb: Sheola][**Heb: hahita][***Na: ho tratry ny lò] 11 Hampahafantatra ahy ny lalan'aina Hianao; fa havokisam-pifaliana no eo anatrehanao, ary fahafinaretana no eo an-tananao an-kavanana mandrakizay.

Ny olona matoky an’Andriamanitra

1-Mahatsiaro fifaliana mandrakariva (and9)

Araka ny fahafantarantsika ny tantaran’i Davida dia tsy mora ny ady natrehany fa sarotra tokoa , kanefa tamin’ireny dia nahatsapa fifaliana izy ary izany no nahatonga ny fanahiny ho voainga hamorona tononkira asiana feo entina midera an’Andriamanitra . Izany tokoa ry havana ny zava-mahagaga amin’ny fiainan’ny kristiana : be ny ady atrehana nefa mahita fifaliana hatrany , ary velom-panantenana mandrakariva . Hoy ny voalazan’ny ao amin’ny Rom 14.17 : « Fa ny fanjakan’Andriamanitra dia tsy amin’ny fihinanana sy ny fisotroana fa fahamarinana sy fiadanana ary fifaliana ao amin’ny Fanahy masina  »

2-Mahazo torohevitra momba ny fiainana ho avy (and 11)

Sarotra ny miaina eto an-tany , satria tsy fantatra mazava mialoha izay làlana tokony hizorana , ka raha tsy mitandrina dia mahita fahavoazana . Fa Davida kosa dia nahatsiaro fa Jehovah no nanoro Azy ny làlana izorana mitondra ho amin’ny fiainana sy fifaliana . Tsara tokoa ny matoky an’Andriamanitra fa manoro izay matoky Azy ny làlana mitondra ho amin’ny fahombiazana Izy . Hoy ny Salamo 32.8 : « Hanome saina anao sy hampianatra anao izay làlan-kalehanao Aho »

Fanontaniana :

Inona no marika ahafantarana fa tena matoky an’Andriamanitra ny olona iray ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM