Ny olona matoky an’Andriamanitra

Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 14 Febroary 2022

JOBA 23.1-17

JOBA 23.1-17
1 [Ny teny navalin'i Joba] Dia namaly Joba ka nanao hoe: 2 Mbola atao ho fikomianao* ihany ny fitarainako; Ny tanana mamely ahy dia mitambesatra amin'ny fisentoako.[Na: mangidy] 3 Enga anie ka ho fantatro izay hahitako Azy ka ho tonga any amin'ny fitoerany aza! 4 Dia handahatra ny teniko eo anatrehany aho. Ka hofenoiko ny teny alahatro ny vavako; 5 Ary hahalala izay teny havaliny ahy aho sy hamantatra izay holazainy amiko. 6 Hery lehibe va no handaharany teny amiko? Tsia, fa Izy indrindra no hihaino ahy 7 Fa amin'izany dia olona marina no ho nifandahatra taminy; Ka dia ho nanan-drariny mihitsy aho tamin'ny Mpitsara ahy. 8 Indro, miantsinanana aho, fa tsy any Izy; Ary miankandrefana aho, fa tsy hitako Izy; 9 Mianavaratra amin'izay iasany aho, fa tsy tazako Izy; Mivily any atsimo Izy, ka tsy hitako. 10 Fa mahalala ny lalana falehako Izy; Raha hizahany toetra aho, dia hivoaka tahaka ny volamena. 11 Ny tongotro nifikitra tamin'ny lalany; Eny, ny lalany no nizorako tsara, ka tsy nivily aho. 12 Ny didin'ny molony tsy mba nialako; Ny tenin'ny vavany noraketiko mihoatra noho ny faniriako*.[Na: anjara-haniko] 13 Nefa tsy miova saina Izy, iza no mahasakana Azy? Fa na inona na inona irin'ny fanahiny dia ataony. 14 Eny, manatanteraka izay voatendry ho ahy Izy; Ary zavatra maro toy izany no ao aminy; 15 Roa Izany no mampangovitra ahy eo anatrehany; Raha misaintsaina izany aho, dia matahotra Azy. 16 Fa Andriamanitra no mandrerakany foko, ary ny Tsitoha no mampangovitra ahy; 17 Fa tsy ny fahamaizinana no maharesy ahy, na ny maizim-pito izay manarona ny tavako*.[Na: Satria tsy nalaina aho, dieny tsy mbola avy ny maizina, Ary tsy nanafina ny maizim-pito amin'ny tavako Izy]

Ny olona matoky an’Andriamanitra

1-Maniry ny hifandray Aminy mandrakariva

Tena matoky an’Andriamanitra i Joba . Izany no azo nandraisana ny valiteniny ho an’i Elifaza. Na dia eo aza ny fangirifiriana mihatra aminy dia faniriany ny hifandray amin’Andriamanitra mba hahafahany miaro ny tenany manoloana an’Andriamanitra mpitsara marina , izay inoany fa manamarina azy (and4-7) .Izany tokoa ny finoana ananan’ny olona matoky an’Andriamanitra . Mandalo fahoriana , fijaliana , kanefa tsy miala amin’Andriamanitra .Matoky fa mitana ny teniny amin’ny fiahiany ny mpanompony Izy , ka sahy mandrakariva ny olona hifandray , handahatra Aminy ny fiainany mba hahafahana mandray ny famindrampony .

2-Manorina ny fiainana amin’ny Teniny

Na dia toa manao fangalam-piery amin’i Joba aza Andriamanitra , tsy mety mifanojo amin’ny làlan’Andriamanitra ny làlany , dia inoany fa mijery azy ary mahalala ny fiainany Izy (and8-10) .Noho izany dia manokana ny fiainany ho an’Andriamanitra ho fanilo hitondrana ny fiainany , satria azony antoka fa izay voatendrin’Andriamanitra ho anjarany dia tanterahiny mandrakariva (and14). Azo antoka ny Tenin’Andriamanitra , tanterahiny mandrakariva izay voalazany . Noho izany , aoreno ny finoana , aza miala amin’ny Tenin’Andriamanitra , raiso ho fitsipi-piainana ho anao ny Tenin’Andriamanitrea dia hanana fiadanana ianao .

Fanontaniana ;

Manao ahoana ny anajara toeran’ny Tenin’Andriamanitra eo amin’ny fiainanao ,?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM