Ny olona manompo an’Andriamanitra
Mofonaina anio: Talata, faha 21 Oktobra 2025
Sal.92. 1-11 / HF 48/ Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 548
Amosa 5,21 - 24
21 Halako, eny, laviko ny andro firavoravoanareo, ary tsy ho hanitra ankasitrahana amiko ny fivorianareo masina. 22 Na dia ateranareo fanatitra dorana sy fanatitra hohanina aza Aho, dia tsy sitrako izany; Ny zanak'omby mifahy aterinareo ho fanati-pihavanana dia tsy hojereko akory. 23 Atsaharo ny finaonaonan'ny hiranareo*, fa maharenina Ahy; Fa tsy hihaino ny fanenon'ny lokanganareo* Aho. [Heb. Hiranao, lokanganao] 24 Ary aoka ny fitsarana hanalonalona toy ny rano, ary ny fahamarinana toy ny renirano tsy mety ritra.
Amosa 5. 21-24
Ny olona manompo anâAndriamanitra
1- Marina aminâny fivavahana (And. 21-23)
Taminâny andronâi Amosa dia nazoto nivavaka ny olona: namonjy ireo fivoriana ara-pivavahana. Naredona ny hira nandritra ny andro firavoravoana, nazoto nanatitra ireo fanatitra ny olona. Saingy nolavinâAndriamanitra avokoa izany. Taminâny endrika ivelany fotsiny ihany no nanaovana ireo fombam-pivavahana ireo fa tsy tena taminâny fo tokoa. Araka izany, ny fivavahana aminâny fo arahinâireo fomba mifanaraka aminâizany no takianâ Andriamanitra aminâny olona, fa tsy aminâny fombafomba fotsiny ihany. Ary izany no itaomana ny Kristiana ankehitriny mba hanompo anâi Jesoa Kristy aminâny finoana marina tokoa.
2- Marina ara-pitsarana (And. 24)
Tao aminâny Fanjakana Avaratra no nitondranâny mpaminany Amosa hafatra. Nanjaka ny tsy fahamarinana ara-pitsarana: nanjaka ny kolikoly, ny fanararaotana ireo mahantra, tsy nisy ny fahamarinana. Nitaky ny hisianâny fahamarinana ara-pitsarana ny mpaminany. Araka izany, takiana aminâny olona milaza ny tenany ho kristiana, manana andraikitra eo aminâny fitsarana, ny hanao ny fitsarana marina, lavitry ny kolikoly, fitsarana ho fialofanâny malemy tokoa satria izany no vokatra tsara indrindra mendrika atolotra ho anâny Tompo. Koa manaova ny marina sy ny rariny ary hitsiny eo aminâny andraikitra raisinao ho voninahitrâi Jesoa Kristy. Jesoa Kristy dia Fahamarinana, ka ny olona rehetra mivavaka Aminy dia tsy maintsy manao ny marina araka anâi Kristy.
Fanontaniana:
Ahoana ny fomba hianana ny fahamarinan âi Jesoa Kristy?
Sampana Sekoly Alahady Foibe