Ny olona manome voninahitra an’i Jesoa Kristy
Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 29 Janoary 2024
Apokalypsy 4. 9-11
Apokalypsy 4. 9-11
9 Ary raha ny zava-manan'aina hanome voninahitra sy haja ary fisaorana ho an'ilay mipetraka eo ambonin'ny seza fiandrianana, dia Izay velona mandrakizay mandrakizay, 10 dia hiankohoka eo anoloan'izay mipetraka eo ambonin'ny seza fiandrianana ny loholona* efatra amby roa-polo ka hivavaka amin'izay velona mandrakizay mandrakizay, dia hanipy ny satro-boninahiny eo anoloan'ny seza fiandrianana ka hanao hoe: 11 Hianao, Tomponay sy Andriamanitray, no miendrika handray ny voninahitra sy ny haja ary ny hery; Fa Hianao no nahary ny zavatra rehetra, Ary noho ny sitraponao no nahanisy sy nahary azy.Ny olona manome voninahitra an’i Jesoa Kristy
1- Manompo Azy
« …dia hiankohoka eo anoloan’izay mipetraka eo ambonin’ny seza fiandrianana ny loholona … « (and. 10). Eto dia ny zava-manan’aina no nanome voninahitra an’Ilay mipetraka eo amin’ny seza fiandrianana, dia Jesoa Kristy Mpanjaka izany. Ny zava-manan’aina dia ireo mponin’ny lanitra. Nanompo an’i Jesoa Kristy izy ireo, nivavaka tamin’i Jesoa Kristy. Modely amin’ny fomba fanomezam-boninahitra an’i Jesoa Kristy izany. Izay rehetra te-hanome voninahitra an’i Jesoa Kristy dia tsy maintsy miankohoka eo anatrehany. Ary ny fiankohofana amin’i Jesoa Kristy dia midika ho mivavaka Aminy. Izay rehetra mivavaka amin’i Jesoa Kristy dia tsy maintsy miankohoka eo anatrehany ihany koa. Koa omeo voninahitra i Jesoa Kristy amin’ny alalan’ny fiankohofana sy ny fivavahana Aminy.
2- Manaiky ny fahefany
» dia hanipy ny satro-boninahiny eo anoloan’ny seza fiandrianana ka hanao hoe… » (and. 10). Ny dikan’ny andian-teny hoe « hanipy ny satro-boninahitra » dia midika ho fanekena fa Andriamanitra mendrika homem-boninahitra sy fiderana. Nataon’ny zava-manan’aina tamin’i Jesoa Kristy izany fihetsika izany. Midika izany fa i Jesoa Kristy, Izay mipetraka eo amin’ny seza fiandrianana dia mendrika homem-boninahitra sy fiderana. Mariky ny fanekena ny fahefana ananan’i Jesoa Kristy izany. Koa amin’ny alalan’ny fiderana sy fanomezam-boninahitra an’i Jesoa Kristy ny fanehoana ny fahefana ananany, Izay rehetra milaza fa manaiky ny fahefan’i Jesoa Kristy, dia tsy maintsy manome voninahitra sy midera Azy. Koa maneke ny fahefan’i Kristy, omeo voninahitra Izy, derao Izy.
Fanontaniana:
Ahoana ny fomba anomezanao voninahitra an’i Jesoa Kristy?
Sampana Sekoly Alahady Foibe