Ny olona maniry hanaraka an’i Jesoa Kristy

Mofonaina anio: Zoma, faha 26 Jolay 2024

Lioka 9. 57-62

Lioka 9. 57-62
57 Ary nony nandroso teny an-dalana izy, dia nisy anankiray nanao tamin'i Jesosy hoe: Hanaraka Anao aho na aiza na aiza halehanao. 58 Fa hoy Jesosy taminy: Ny amboahaolo* manan-davaka, ary ny voro-manidina manana fialofana; fa ny Zanak'olona tsy mba manana izay hipetrahan'ny lohany.[*volpa] 59 Ary hoy Izy tamin'ny anankiray koa: Manaraha Ahy. Fa hoy kosa izy: Tompoko, aoka aho aloha handeha handevina ny raiko. 60 Fa hoy Jesosy taminy: Aoka ny maty handevina ny maty ao aminy; fa ianao kosa mandehana, ka mitoria ny fanjakan'Andriamanitra. 61 Ary hoy ny anankiray koa: Tompoko, hanaraka Anao ihany aho; fa aoka aho aloha handeha hanao veloma ny ao an-tranoko. 62 Fa hoy Jesosy taminy: Tsy misy olona mitana fangady tarihina ary miherika ka miendrika ho ao amin'ny fanjakan'Andriamanitra.

Ny olona maniry hanaraka an’i Jesoa Kristy

1- Vonona hiaritra fahoriana

«… fa ny Zanak’olona tsy mba manana izay hipetrahan’ny lohany.» (And. 58)

Valin-tenin’i Jesoa Kristy tamin’ilay naniry hanaraka Azy na aiza na aiza izany. Nihevitra ny olona tamin’izany fa ny fahatongavan’i Kristy dia tsy hitondra afa-tsy tombotsoa manokana ho azy ireo. Tamin’izany no nanambaran’i Jesoa fa misy ihany koa ny fiaretana eo amin’ny fiarahana amin’i Jesoa. Noho izany, rehefa miaraka amin’i Jesoa na maniry hanaraka Azy dia tsy maintsy mivonona amin’ny fiatrehana ireo fahasahiranana samihafa. Tsy voatery ho filaminana sy tombontsoa ara- materialy na araka izay andrasan’ny olona amin’i Kristy akory no ho azony fa fiaretana ihany koa. Koa aza gaga raha misedra olana amin’ny fanarahana an’i Kristy.

2- Mamorona ankohonana vaovao

«…fa ianao kosa mandehana, ka mitoria ny Fanjakan’Andriamanitra.» (And. 60)

Tamin’izany fotoana izany, ny zanaka dia manana adidy mikarakara ny rainy mandra-pahafatiny. Raha tsy efa maty sy voalevina ny rainy dia tsy mbola vita ny adidiny. Ny antson’i Jesoa anefa ambony noho ny antso rehetra. Ka izay rehetra te-hitory ny fanjakan’Andriamanitra dia tsy maintsy mahafoy ny rainy ka hanana ankohonana vaovao. Noho izany, efa ankohonana hafa mihitsy ny ankohonan’ny mpitory filazantsara ary ny ankohonany aza dia tokony hiditra amin’io ankohonana vaovao io fa tsy tokony ho sakana ho azy. Ny fiainan’ny olona mpanaraka an’i Jesoa Kristy dia miivo amin’ny fitoriana ny fanjakan’ny lanitra, fahafenon’ny Fanahy, ary fitsinjovana ny hafa. Ka ny mpianatr’i Jesoa Kristy dia tsy maintsy manahaka Azy.

Fanontaniana:

Inona no mbola sakana tsy ahafahanao mitory an’i Kristy?

Sampana Sekoly Alahady Foibe