Ny olona mandre ny Tenin’Andriamanitra

Mofonaina anio: Talata, faha 16 Febroary 2021

2 TANTARA 34.29-33

2 TANTARA 34.29-33
29 [Ny fahazotoan'i Josia hanangana indray ny fivavahana amin'i Jehovah sy hampitandrina ny olona ny Paska, ary ny niadiany tamin'ny Egyptiana sy ny nahafatesany] Ary ny mpanjaka naniraka olona ka nampivory ny loholon'ny Joda sy Jerosalema rehetra. 30 Dia niakatra ho ao an-tranon'i Jehovah ny mpanjaka sy ny lehilahy rehetra tamin'ny Joda sy ny mponina tany Jerosalema mbamin'ny mpisorona sy ny Levita ary ny vahoaka rehetra, na lehibe na kely; dia novakiny teo anatrehany ny teny rehetra teo amin'ny bokin'ny fanekena, izay hita tao an-tranon'i Jehovah. 31 Ary ny mpanjaka nitsangana teo amin'ny fitoeran'andriana, dia nanao fanekena teo anatrehan'i Jehovah hanaraka Azy sy hitandrina ny lalàny sy ny teni-vavolombelony ary ny didiny amin'ny fony rehetra sy ny fanahiny rehetra, hankatò ny tenin'ny fanekena izay voasoratra ao amin'izany boky izany, 32 sady nampifikiriny tsara koa ny olona rehetra tany Jerosalema sy ny Benjamina. Ary ny mponina tany Jerosalema dia nanao araka ny faneken'Andriamanitra, dia Andriamanitry ny razany 33 Ary Josia nanaisotra ny fahavetavetana rehetra tamin'ny tany rehetra izay an'ny Zanak'isiraely sady nandidy izay rehetra teo amin'ny Isiraely hanompo an'i Jehovah Andriamaniny. Tamin'ny andro rehetra niainan'i Josia dia tsy mba niala tamin'ny fanarahana an'i Jehovah, Andriamanitry ny razany, ny olona.

Ny olona mandre ny Tenin’Andriamanitra

1-Manaiky hitandrina izany

« …dia nanao fanekena teo anatrehan’i Jehovah hanaraka Azy sy hitandrina ny lalàny... »(and31,32)

Rehefa hita tao amin’ny tempoly ny bokin’ny fanekena dia niantso ny vahoaka rehetra i Josia mpanjaka ka naneho ny fahavononany hanaraka sy hankato ny Tenin’iJehovah sady nitaona ny vahoaka rehetra hanaraka sy hiaina izany teni-vavolombelona izany . Naneho ny fahavononany hankatò ny didin’ Andriamanitra i Josia mpanjaka ary ny vahoaka koa dia notaomina hanaraka izany satria nandre ny Tenin’i Jehovah . Araka izany , rehefa mandre ny Tenin’Andriamanitra ianao dia asehoy eo anatrehan’ny Tompo ny fahavononanao hitandrina ny sitrapon’ Andriamanitra ao amin’i Jesoa Kristy.

2-Miala amin’ny fanompoan-tsampy

« Ary i Josia nanaisotra ny fahavetavetana rehetra tamin’ny tany rehetra… »(and 33)

Rehefa avy nahita sy nandre ny famakiana izay voasoratra tao anatin’ny tenin’ny fanekena i Josia mpanjaka dia nanapa-kevitra handrava ireo sampy : nandrava ny fitoerana avo sy ny alitaran’ny bala , ny sarin-javatra voasokitra … Niala tamin’ny fanompoan-tsampy sy nitaona ny vahoaka hiala tamin’izany i Josia mpanjaka . Araka izany , ny olona izay mandre ny Tenin’ Andriamanitra dia manapa-kevitra handrava sy hiala amin’ny fanompoan-tsampy ka hanompo an’Andriamanitra . Tsy ianao irery ihany anefa fa taomy koa ny amin’izany ka hino an’Andriamanitra ao amin’i Jesoa kristy .

Fanontaniana :

Inona no fanapahankevitrao rehefa avy mandre ny Tenin’Andriamanitra ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM