Ny olona mandre ny feon’Andriamanitra:
Mofonaina anio: Alakamisy, faha 18 Janoary 2024
Deoteronomia 4. 32-40
Deoteronomia 4. 32-40
32 Fa anontanio ange ny andro lasa, izay teo alohanao hatramin'ny andro izay namoronan'Andriamanitra olombelona tet? ambonin'ny tany ary hatramin'ny faravodilanitra manodidina, raha mba nisy zavatra lehibe tahaka izany, na mba efa nisy re tahaka izany. 33 Moa efa nisy firenena nandre ny feon'Andriamanitra niteny tao amin'ny afo, tahaka ny efa renao, ka velona ihany? 34 Moa efa nanandrana handeha haka firenena ho Azy avy amin'ny firenena hafa va Andriamanitra amin'ny fizahan-toetra sy ny famantarana sy ny fahagagana sy ny ady sy ny tanana mahery sy ny sandry nahinjitra ary ny fampahatahorana lehibe, araka izay rehetra nataon'i Jehovah Andriamanitrareo ho anareo tany Egypta teo imasonao? 35 Hianao no nampahitainy izany, mba hahafantaranao fa Jehovah no Andriamanitra, fa tsy misy afa-tsy Izy. 36 Avy tany an-danitra no nampandrenesany anao ny feony hananarany anao; ary teo ambonin'ny tany no nanehoany anao ny afony lehibe; ary ny teniny efa renao avy tao afovoan'ny afo. 37 Ary satria tia ny razanao Izy ka nifidy ny zanany mandimby azy, dia Izy no nitondra anao nivoaka avy tany Egypta tamin'ny heriny lehibe, 38 handroahany eo anoloanao firenena maro izay lehibe sy mahery noho ianao, mba hampidirany anao sy hanomezany anao ny taniny ho lova, tahaka ny amin'izao anio izao. 39 Koa aoka ho fantatrao anio, ka tsarovy ao am-ponao, fa Jehovah no Andriamanitra any amin'ny lanitra ambony sy et? amin'ny tany ambany, ka tsy misy afa-tsy Izy. 40 Dia tandremo ny lalàny sy ny didiny izay andidiako anao anio, mba hahita soa ianao sy ny taranakao mandimby anao, ary mba ho maro andro ianao any amin'ny tany, izay omen'i Jehovah Andriamanitrao ho anao mandrakizay.Ny olona mandre ny feon’Andriamanitra:
1- Tian’Andriamanitra…
« Ary satria tia ny razanao Izy ka nifidy ny zanany mandimby azy…. » (and. 37). Tian Andriamanitra ny Patriarka ka nifidy ny Zanak’Israely ho vahoakany Izy. Nitenenan’Andriamanitra mivantana izy ireo, nandre mivantana ny feony satria nofidiany tao anatin’ny maro. Tamin’izany dia tsy mbola nisy firenena itenenan Andriamanitra avy amin’ny afo ka velona. Kanefa ny Zanak’Isiraely tsy naninona akory, na dia nandre ny feony mivantana aza satria tiany sy nofidiany. Ankehitriny, ny Soratra Masina no feo itenenan’ Andriamanitra amin’ny olom-boafidiny sy ny Fiangonana. Mariky ny fitiavan’ Andriamanitra manokana ny nanomezany ny Teniny ho an’ny Fiangonana sy mpino kristiana. Raiso àry ny Tenin’ Andriamanitra.
2- Mitandrina ny Tenin’Andriamanitra
«Dia tandremo ny lalany sy ny didiny izay andidiako anao anio, (and. 40). Ny antony nampahatsiahivana indray fa efa niteny mivantana tamin’ny Zanak’Isiraely Andriamanitra, dia mba hahatonga azy ireo hitandrina ny lalàny sy ny didiny. Ary ny tanjona amin’izany dia mba hahatonga ny vahoaka hahita soa any amin’ny tany Kanana. Mila mitandrina ny didin’i Jehovah ny Zanak’Isiraely. Toy izany koa ny Kristiana ankehitriny, efa nomena antsika ny Soratra Masina manontolo mba hankatoavantsika ny voasoratra ao anatiny. Mitondra fitahiana ho an’ny mpino ny fankatoavana ny Tenin’i Jesoa Kristy. Ary mariky ny fitiavantsika an’i Jesoa Kristy izany fankatoavantsika ny Teniny izany. Koa ankatoavy ny Tenin’i Jesoa Kristy fa fahasoavana ho anao izany.
Fanontaniana:
Inona amin’ireo didin’i Jesoa Kristy no manahirana anao ny mitandrina sy miaina azy?
Inona amin’ireo didin’i Jesoa Kristy no manahirana anao ny mitandrina sy miaina azy?
Sampana Sekoly Alahady Foibe