Ny olona mandre ny antson’ Andriamanitra

Mofonaina anio: Zoma, faha 07 Martsa 2025

Asan'ny Apostoly 26. 19-23

Asan'ny Apostoly 26. 19-23
19 Ary amin'izany, ry Agripa mpanjaka ô, dia tsy nandà ny fahitana avy tany an-danitra aho; 20 fa nambarako voalohany tamin'izay tany Damaskosy sy Jerosalema sy tany amin'ny tany Jodia rehetra ary tany amin'ny Jentilisa, mba hibebaka sy hiverina amin'Andriamanitra izy ka hanao asa miendrika ny fibebahana. 21 Ary izany no nisamboran'ny Jiosy ahy teo an-kianjan'ny tempoly sy nitadiavany hahafaty ahy. 22 Ary noho ny fitahian'Andriamanitra ahy dia mbola maharitra mandraka androany aho ka manambara na amin'ny kely na amin'ny lehibe, ary tsy milaza na inona na inona afa-tsy izay nolazain'ny mpaminany sy Mosesy fa ho avy, 23 fa Kristy tsy maintsy mijaly ary ho voalohany hitsangana amin'ny maty ka hitory fahazavana amin'ny olona Isiraely sy amin'ny jentilisa.

« Ary amin’izany, ry Agripa mpanjaka ô, dia tsy nanda ny fahitana avy tany an-danitra aho; » (And. 19)

Nanambara sy nampahatsiahy tamin’i Agripa mpanjaka ny fiantsoan’ny Tompo azy ho Apostoly i Paoly. Nambarany tamin’izany fa antso avy any an-danitra no nahatonga azy ho mpitory ny filazantsara. Nalalaka tamin’ny safidiny izy ary niteny hoe « tsy nanda … aho ». Ka naleony nanaiky izany antso izany satria avy any an-danitra. Tsarovy fa rehefa mandre ny antson’ny Tompo, amin’ny alalan’ny toriteny ianao, dia malalaka amin’ny safidinao ianao na hanaiky na handà. Kanefa aleo « tsy manda » tahaka an’i Paoly satria fitiavana manokana ho anao no antony iantsoan’ny Tompo anao.

«… mba hibebaka sy hiverina amin’Andriamanitra izy ka hanao asa miendrika ny fibebahana. » (And. 20)

Rehefa avy namaly ny antson’ny Tompo i Paoly, tonga mpitory ny filazantsara, dia nanambara izany tany Damaskosy sy Jerosalema, tany Jodia sy tany amin’ny Jentilisa. Ny tanjona tamin’izany, dia ny hahatonga azy ireo ho amin’ny fibebahana tahaka an’i Paoly ihany koa. Ho anao koa, aza fihinina ho anao irerý ny antson’ny Tompo tonga taminao. Ampahafantaro ny hafa mba hahatonga azy hibebaka ihany koa. Ambarao amin’ny olona rehetra na kely na lehibe ny voalazan’ny Soratra Masina momba an’i Kristy izay tsy maintsy nijaly ary nitsangana tamin’ny maty.

Inona avy no heverinao ho mampatahotra mitory filazantsara?