Ny olona mandray ny Fanahy Masina  

Mofonaina anio: Alahady, faha 31 Mey 2020

ANKATOAVY  NY  FITARIHAN’NY  FANAHY  MASINA

JAONA 3.1-8
1 Ary nisy Fariseo anankiray atao hoe Nikodemosy, mpanapaka tamin'ny Jiosy. 2 Izy nankao amin'i Jesosy nony alina ka nanao taminy hoe: Raby ô, fantatray fa mpampianatra avy amin'Andriamanitra Hianao; fa tsy misy olona mahay manao izao famantarana ataonao izao, raha tsy Andriamanitra no momba azy. 3 Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Lazaiko aminao marina dia marina tokoa: Raha tsy ateraka indray* ny olona, dia tsy mahazo mahita ny fanjakan'Andriamanitra. [*Na: ateraka avy ambony] 4 Hoy Nikodemosy taminy: Hataon'ny olona ahoana no hateraka rehefa lehibe; moa mahazo miditra any an-kibon-dreniny indray va izy ka hateraka? 5 Jesosy namaly hoe: Lazaiko aminao marina dia marina tokoa: Raha misy olona tsy ateraky ny rano sy ny Fanahy, dia tsy mahazo miditra amin'ny fanjakan'Andriamanitra izy. 6 Izay ateraky ny nofo dia nofo; ary izay ateraky ny Fanahy dia fanahy. 7 aza gaga noho ny nilazako taminao hoe: Tsy maintsy hateraka indray* ianareo. [*Na: hateraka avy any ambony] 8 Ny rivotra mitsoka amin'izay tiany, ary renao ny feony, nefa tsy fantatrao izay ihaviany na izay alehany, dia tahaka izany izay rehetra ateraky ny Fanahy.

Ny olona mandray ny Fanahy Masina  

Nandre ny fampianarana nataon’i Jesoa i Nikodemosy. Te-hamantatra ny làlam-pamonjena izy. Indro  , tonga nifampidinika tamin’i Jesoa mangingina tamin’ny andro alina izy .

1-Ateraka indray

Mpampianatra ny làlana teo  amin’ny Jiosy i Nikodemosy . Olona tena mahay  ny Soratra Masina izy. Nampianarin’iJesoa anefa izy fa tsy ampy handraisana ny famonjena izany . Ny olona manaiky hateraka indray no hiditra ny fanjakan’Andriamanitra.Nohamafisin’I Jesoa Kristy fa fahaterahana miavaka izany , fahaterahana vokatry ny asan’ny rano sy Fanahy .Rano endriky ny fanadiovana amin’ny fahotana tanterahana amin’ny alalan’ny Batisa.Rehefa izany dia mandray ny Fanahy Masina , tarihin’ny Fanahy Masina ho amin’ny fandresena ny asan’ny nofo. Izany no fahaterahana indray , fahateraham-baovao.

2-Afaka miditra ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra    

Mazava tsara ny fampianaran’I Jesoa an’I Nikodemosy .Rehefa nateraka indray ny olona dia afaka mahita, afaka miditra ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra (and3,5) . Izany  hoe : ny olona  manana ny Fanahy Masina, nateraka indray dia afaka miditra ny fanjakan’Andriamanitra .Tonga olom-baovao , lasa zanak’Andriamanitra .Ny zanak’Andriamanitra irery ihany no afaka miditra sy mitoetra ao amin’ny fanjakany .Tsy ny fahalalanao  ny  Soratra Masina fotsiny  , na ny maha-izy anao  no hidiranao  ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra , fa ny fanekenao  ny asan’ny Fanahy Masina izay manavao.

Fanontaniana:

Efa nateraka indray ve ianao ? Tamin’ny fomba ahoana?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM