Ny olona mandeha araka ny Fanahy
Mofonaina anio: Zoma, faha 29 Mey 2020
GALATIANA 5.16-26
GALATIANA 5.16-26
16 Fa hoy izaho: Mandehana araka ny Fanahy, dia tsy hahatanteraka ny filan'ny nofo ianareo. 17 Fa ny nofo manohitra ny Fanahy, ary ny Fanahy manohitra ny nofo; ary mifanohitra izy roroa, mba tsy hahazoanaroeo manao izay zavatra tianareo. 18 Fa raha tarihin'ny Fanahy ianareo, dia tsy mba ambanin'ny lalàna. 19 Fa miharihary ny asan'ny nofo, dia izao: Fijangajangana, fahalotoana, fijejojejoana, 20 fanompoan-tsampy, fanaovana ody ratsy, fandrafiana, fifandirana, adi-lahy, fiafonafonana, fifampiandaniana, fisarahana, fitokoana, 21 fialonana, fahamamoana, filalaovan-dratsy, ary ny toy izany, izay lazaiko aminareo rahateo, tahaka ny voalazako fahiny koa, fa izay manao izany dia tsy handova ny fanjakan'Andriamanitra. 22 Fa ny vokatry ny Fanahy kosa dia fitiavana, fifaliana, fiadanana, fahari-po fahamoram-panahy, fanaovan-tsoa, fahamarinana, 23 fahalemem-panahy, fahononam-po; tsy misy lalàna manohitra izany. 24 Fa izay an'Kristy Jesosy dia efa nanombo ny nofony mbamin'ny faniriany sy ny filany tamin'ny hazo fijaliana. 25 Raha velon'ny Fanahy isika, dia aoka handeha araka ny Fanahy. 26 Aoka isika tsy handrani-tena foana ka hifampihaika sy hifampialona.Ny olona mandeha araka ny Fanahy
Mitaona ny fiangonana tao Galatia mba hiaina amin’ny fitondrantena kristiana i Paoly Apostoly .
1-Mandresy ny asan’ny nofo
Manao antso avo i Paoly Apostoly fa tokony handeha araka ny fitarihan’ny Fanahy Masina ny mpino kristiana mba handreseny ny asan’ny nofo.Singa roa mifanohitra eo amin’ny fiainan’ny olona ny nofo sy ny fanahy . Ireo dia samy misarika ny olona ho amin’ny làlana tiany hitondrana azy. Rehefa manaiky ny fitarihan’ny Fanahy Masina anefa ny mpino dia resy tosika ny asan’ny nofo izay mitondra ho amin’ny fikorontanana, fahafatesana, fisarahana. Resin’ny mpino izany asan’ny nofo izany rehefa omena toerana ao am-po ny Fanahy Masina , mba hitarika azy.
2-Manao asa tsara
Rehefa manapaka sy mitarika ny olona ny Fanahy Masina dia manana toe-panahy tena miavaka ny olona . Hita taratra eo amin’ny fiainana andavanandro sy eo amin’ny fifandraisana amin’ny hafa izany .Hoy ny voalaza :« Fa ny vokatry ny Fanahy kosa dia fitiavana ».Miaina amin’ny fitiavana mahay mitia ny olona rehetra ny olona manana ny Fanahy Masina .Fitiavana izay mikendry mandrakariva fanasoavana ny hafa , firindram-piainana eo amin’ny fiaraha-monina (and22-23) Tsarovy fa iJesoa Kristy Tompontsika dia nanao asa tsara teo amin’ny fiaraha-monina nisy Azy. Meteza ianao hotarihan’ny Fanahy Masina , mba ho tena mpianany marina tokoa.
Fanontaniana:
Nahoana no misy fokorontanana ,fifamaliana ,adiady indraindray eo anivon’ny sampana ,ny fiangonana?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM