Ny olona manarina ny rava

Mofonaina anio: Alahady, faha 06 Oktobra 2024

Isaia 61. 4-9

Isaia 61. 4-9
4 Koa hatsangana ny efa rava hatry ny fony fahagola, ary hamboarina ny efa lao hatramin'ny fahiny, dia hohavaozina indray ny tanàna rava, Izay efa lao hatramin'ny taranaka lasa ela. 5 Ary ny vahiny honina ao ka hiandry ny ondry aman'osinareo, ary ny hafa firenena ho mpiasa tany sy ho mpamboatra tanim-boaloboka ho anareo, 6 Fa ianareo kosa no hatao hoe mpisoron'i Jehovah, Mpanao fanompoam-pivavahana ho an'Andriamanitsika no hilazana anareo ho lasanareo* ny haren'ny firenena, ary handimby voninahitra azy ianareo**. [*Heb. Hohaninareo][**Na: Ary ho reharehanareo sy voninahiny] 7 Ny henatrareo hosoloana avy roa heny, ary ny tondromaso hosoloana hoby amin'ny anjara-lovany; ary noho izany dia hahazo indroa heny ao amin'ny taniny izy, fifaliana mandrakizay no ho azy. 8 Fa Izaho Jehovah dia tia rariny; halako ny fandrombahana amin'ny faharatsiana; homeko ny valin'asany amin'ny fahamarinana izy, ary fanekena mandrakizay no hataoko aminy. [Na: Halako ny halatra atao fanatitra odorana] 9 Ny taranany ho fantatra any amin'ny jentilisa ary ny terany any amin'ny firenena; Izay rehetra mahita azy dia hahafantatra azy ho taranaka notahin'i Jehovah.

Ny olona manarina ny rava

1. Manompo amin’ny filaminana

«Fa ianareo kosa no hatao hoe mpisoron’i Jehovah, Mpanao fanompoam-pivavahana ho an’Andriamanitsika…» (And.6) Faminaniana momba ny fanarenana indray ny tananan’i Jerosalema taorian’ny fahababoana no hita eto. Mandritry ny fanarenana, ny jentilisa no hanampy amin’izany (and. 6) fa ny Jiosy kosa hanao fanompom-pivavahana ho an’Andriamanitra satria ankohonana mpisorona. Araka izany, Andriamanitra manamora ny fanatanterahana ny teny fampanantenana nataony. Afaka manompo Azy ankalalahana ny vahoakany. Ary tsy ho sakana intsony ny fiahiana ny fiainana andavanandro. Manome vahaolana mba hahafahana manompo Azy Andriamanitra. Koa aza atao sakana tsy ahafahanao mivavaka ny fiainana andavandro.

2. Mahazo fanonerana

Ny henatrareo hosoloana avy roa heny, ary ny tondromaso hosoloana hoby amin’ny anjara-lovany… » (And.7)

Hahazo roa heny noho izay efa nananany teo aloha ny Jiosy, araka ny voalaza eto. Ankoatry ny vokatra izay efa nananan’ny Jiosy teo aloha teo amin’ny taniny, dia mbola homen’Andriamanitra azy ihany koa ny hisitraka ny avy amin’ny firenen-kafa (And. 6). Araka izany, izay heverin’ny olona ho fatiantoka teo amin’ny fiainana, noho ny famindrampon’ Andriamanitra, dia afaka hisitraka mihoatra_lavitra noho izay efa nananany izy. Tsy noho ny fahamarinany anefa, fa noho ny famindrampony amin’ny alalan’i Jesoa Kristy. Koa minoa an’i Jesoa Kristy fa Izy hanonitra ho anao.

Fanontaniana

Inona no ataonao ho sakana tsy ahafahanao manompo tsara?

Sampana Sekoly Alahady Foibe