Ny olona manao ny asan’Andriamanitra
Mofonaina anio: Alahady, faha 30 Mey 2021
LIOKA 10.17-24
LIOKA 10.17-24
17 Ary ny fito-polo lahy niverina tamin'ny fifaliana ka nanao hoe: Tompo ô, na dia ny demonia aza dia manaiky anay noho ny anaranao. 18 Fa hoy Jesosy taminy: Izaho nahita an'i Satana latsaka avy tany an-danitra tahaka ny varatra. 19 Indro, efa nomeko fahefana hanitsaka menarana sy maingoka sy handresy ny hery rehetra ananan'ny fahavalo ianareo, ka tsy hisy hampaninona anareo akory. 20 Kanefa aza mifaly ianareo, satria manaiky anareo ny fanahy; fa mifalia, satria voasoratra any an-danitra ny anaranareo. 21 Ary tamin'izany ora izany dia ravoravo tamin'ny Fanahy Masina Jesosy ka nanao hoe: Midera Anao Aho, Raiko ô, Tompon'ny lanitra sy ny tany, fa efa nafeninao tamin'ny hendry sy ny manan-tsaina izany ka nasehonao tamin'ny zaza madinika; eny, Raiko, fa izany no sitrakao. 22 Ny zavatra rehetra dia efa natolotry ny Raiko Ahy; ary tsy misy mahalala ny Zanaka afa-tsy ny Ray, ary ny Ray afa-tsy ny Zanaka sy izay tian'ny Zanaka hanehoana Azy. 23 Ary nitodika tamin'ny mpianany Izy, dia nilaza taminy manokana hoe: Sambatra ny maso mahita izay hitanareo. 24 Fa lazaiko aminareo fa mpaminany sy mpanjaka maro no naniry hahita izay hitanareo, fa tsy nahita, ary naniry nahare izay renareo, fa tsy nahare.Ny olona manao ny asan’Andriamanitra
1-Tarihina hiaina amin’ny fanetrentena
Raha mijery ny and 17-20 isika dia mahita fa manova sady mampitandrina ny fomba fihevitry ny mpianatra i Jesoa . Feno fifaliana ireto mpianatra fa nahita fahombiazana tamin’ny asa fitoriana ny Filazantsara . Nifamatotra tamin’izany anefa ny fiheveran-tena ho tena mahery : « na dia ny demonia aza manaiky anay » . Nampitandrina i Jesoa , mety handavo ny fireharehana , satria i satana dia miasa ety an-tany mamingana ny olon’Andriamanitra . Nomen’i Jesoa Kristy ny fahefana rehetra ny mpianatra , fahefana entina mandresy ny asan’ilay ratsy . Afaka mandresy rehefa tena miankina amin’i Jesoa fa tsy miankina amin’ny herin’ny tena . Mahaiza manetry tena .
2-Avahan’Andriamanitra
i Jesoa Kristy no nifidy ireto mpianatra hitory ny Filazantsara . Nomba azy ireo Andriamanitra ka nahita asa lehibe sy miavaka tokoa . Asa maneho ny fahalehibiazana , ny Voninahitr’ Andriamanitra izay tsy mba hitan’ireo tomponandraikitra ara-pivavahana Jiosy . Ireto mpianatra izay toa olona tsotra , tsy dia manao ahoana amin’ny fahaizana amam-pahalalana no nampahitan’Andriamanitra izany. Nifaly i Jesoa , nidera an’Andriamanitra Rainy ka nanambara fa tena miavaka ireto mpianatra nofidiany . Tsarovy fa miavaka ny olona manao ny asan’Andriamanitra . Sady nahita ny asan’Andriamanitra no mandray ny fiainam-pahasambarana avy Aminy .
Fanontaniana :
Inona no hatao mba hahazoana ny tena fahasambarana avy amin’i Jesoa Kristy ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM