Ny olona manantena hahazo ny lokan’ny fiantsoana
Mofonaina anio: Alakamisy, faha 10 Jolay 2025
(Sal 66. 8-12 / HF17 / Vavaka / Mofonalna / Vavaka / Hira462.1,3,4)
Filipiana 3. 12-14
12 Tsy toy ny efa nahazo sahady aho, na efa tanteraka sahady; fa miezaka aho hihazona izay nihazonan'i Kristy Jesosy ahy. 13 Ry rahalahy, tsy mbola ataoko* fa efa nahazo ny tenako; fa zavatra iray loha no ataoko; manadino izay zavatra ao aoriana ka miezaka hanatratra izay zavatra eo aloha, [* Na: (tsy nataoko)] 14 eny, miezaka hanatratra ny marika aho hahazoako ny lokan'ny fiantsoan'Andriamanitra any ambony* ao amin'i Kristy Jesosy. [* Na: ho any ambony]Ny olona manantena hahazo ny lokan’ny fiantsoana
1- Miezaka mihazona an’i Kristy
«… fa miezaka aho hihazona izay nihazonan’i Kristy Jesoa ahy.» (and. 12)
Nampidirina tao an-tranomaizina noho ny Filazantsara i Paoly Apostoly. Faniriana lalina tao anatin’i Paoly Apostoly ny hahazo an’i Kristy. Tsy hisaraka amin’i Kristy Jesoa, na dia ao anatin’ny fahoriana aza. Fianarana ho an’ny mpino kristiana koa izany, na dia ao anatin’ny fahoriana aza dia miezaka mihazona ny finoana an’i Kristy Jesoa. Efa niantso antsika Izy, efa nifidy antsika ho irany sy mpiara-miasa Amíny ka mihazona antsika amin’ny finoana. Fa izay andrasana amintsika kosa dia ny ezaka sy finiavana hihazona izany finoana an’i Kristy Jesoa izany, eny fa na día ao anatin’ny sarotra aza.
2- Miezaka hanatratra ny loka
«…eny, miezaka hanatratra ny marika aho hahazoako ny lokan’ny fiantsoan’Andriamanitra any ambony….» (And. 14)
Mandroso hatrany amin’ny finoana, tsy mihevitra ho efa nahavita be tamin’ny fanampoana. Hadinoina aza izany mba hahazoana mandroso hatrany amin’ny fahatsarana, araka ny maha olom-boavonjy, ary tsy mijanona izany raha tsy efa tonga amin’ny fahazoana ny loka, dia ny fiainana mandrakizay. Handova ny fiainana mandrakizay no tanjona lehibe indrindra ho an’ny mpino. Ka na inona na inona mitranga dia tsy maintsy tratra ny tanjona, dia ny handova ny fiainana mandrakizay. Ady tsy manam-pahataperana raha tsy efa mahazo ny loka, dia ny fiainana mandrakizay.
Fanontaniana :
Inona ny ezaka ataonao hahazoana ny lokan’ny fiantsoana?
Sampana Sekoly Alahady Foibe