Ny olona manana ny Tenin’i Kristy
Mofonaina anio: Zoma, faha 28 Febroary 2020
KOLOSIANA 3.16-17
KOLOSIANA 3.16-17
16 Aoka ny tenin'i Kristy hitoetra betsaka ao aminareo amin'ny fahendrena rehetra, dia mifampianara ka mifananara amin'ny salamo sy ny fihirana ary ny tonon-kiram-panahy, mihira amin'ny fahasoavana ao am-ponareo ho an'Andriamanitra. 17 Ary na inona na inona no ataonareo, na amin'ny teny, na amin'ny asa, dia ataovy amin'ny anaran'i Jesosy Tompo izany, ka misaora Andriamanitra Ray amin'ny alalany.Ny olona manana ny Tenin’i Kristy
1-Mifananatra amin’ny fifaliana (and16)
Sady asaina mifananatra amin’ireo karazan-kira samihafa ny olona manana ny Tenin’i Kristy no entanina hihira ao am-pony. Hiraina mafy amin’ny feo avo , amin’ny feo feno fifaliana manaiky an’i Kristy izany. Ary mifananatra mba samy haneho fankalazana an’ Andriamanitra amin’ny vavany ny tsirairay sy manana fifaliana am-po avy amin’ny Tenin’Andriamanitra . Koa aoka samy hihira amin’ny fifaliana rehefa manome voninahitra an’ Andriamanitra sady hananatra ny hafa amin’izany ihany koa ny mpino tsirairay.
2-Miasa amin’ny anarany (and17)
Rehefa manana an’i Kristy ny olona , ny zavatra rehetra ataony dia atao amin’ny Anaran’i Jesoa Kristy Tompo satria azo antoka fa manana fiombonana amin’i Kristy izy , ary tsapany fa tsy izy no miasa fa i Kristy no velona ao anatiny. Koa tokony misaotra an’ Andriamanitra izay Tompon’ny fahatsarana rehetra ny mpino. Ary ny fisaorana an’i Jesoa Kristy dia mariky ny fanaovana fanatitra , ary asa tokana tokony hataon’ny olona mino an’ Andriamanitra izany .Koa izay zavatra rehetra ataon’ny mino dia tsy izy irery no manao izany fa miaraka amin’i Jesoa Kristy avokoa . Noho izany , tsy ny sitrapony no lazainy sy ataony fa an’i Kristy.
Fanontaniana:
Inona no entinao mananatra ny hafa? Sitrapon ‘iza no mibahan-toerana amin’ny ataonao rehetra?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM