Ny olona manana ny Tenin’Andriamanitra

Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 17 Febroary 2020

JOSOA 1.1-9

JOSOA 1.1-9
1 [Ny niomanan'i Josoa sy ny olona hita an'i Jordana] Ary rehefa maty Mosesy, mpanompon'i Jehovah, dia hoy Jehovah tamin'i Josoa, zanak'i Nona, mpanompon'i Mosesy: 2 Efa maty Mosesy mpanompoko; koa mitsangàna, mità ity Jordana ity ianao sy ireo olona rehetra ireo ho any amin'ny tany izay omeko azy, dia ny Zanak'Isiraely. 3 Ny tany rehetra izay hodiavin'ny faladianareo dia efa nomeko anareo, araka izay voalazako tamin'i Mosesy. 4 Hatramin'ny efitra sy iry Libanona iry ary hatramin'ny ony lehibe, dia ny ony Eofrata, ny tany rehetra izay an'ny Hetita, ka hatramin'ny Ranomasina Lehibe any andrefana no ho taninareo. 5 Tsy hisy olona hahajanona eo anoloanao amin'ny andro rehetra hiainanao; tahaka ny nombako an'i Mosesy no hombako anao koa; tsy handao anao na hahafoy anao Aho. 6 Mahereza sy matanjaha; fa ianao no hampandova ity firenena ity ny tany izay nianianako tamin'ny razany homena azy. 7 Koa mahereza sy matanjaha tsara ianao, hitandremanao hanao araka ny lalana rehetra, izay nandidian'i Mosesy mpanompoko anao; aza miala aminy, na ho amin'ny ankavanana, na ho amin'ny ankavia, mba hambinina* ianao amin'izay rehetra alehanao. [Na: ho hita ho hendry] 8 Aoka tsy hiala amin'ny vavanao ity bokin'ny lalàna ity, fa saintsaino andro aman'alina, hitandremanao hanao araka izay rehetra voasoratra eo; ary amin'izany dia hahalavorary ny lalanao ianao sady hambinina*. [Na: ho hita ho hendry] 9 Tsy efa nandidy anao va Aho? Koa mahereza sy matanjaha; aza matahotra na mivadi-po, fa momba anao Jehovah Andriamanitrao amin'izay rehetra alehanao.

Ny olona manana ny Tenin’Andriamanitra

1-Mahita fandresena

« Tsy hisy olona hahajanona eo anoloanao… » (and5)

Voalaza eto fa tsy hisy hahatohitra an’i Josoa mihitsy amin’ny ady hatao ho fakana ny tany Kanana , raha mitana tsara ny voalazan’ny bokin’ny lalàna izy . Antoka hahazoana fandresena amin’ny ady rehetra atao ny fankatoavana ny lalàna sy ny didin’ Andriamanitra. Koa raha te- hahita fahombiazana , fandresena amin’ny ady rehetra ataony ny mpanompon’ Andriamanitra dia tsy maintsy manome lanja ny fankatoavana ny didin’ Andriamanitra izy .Ary ny fandresena ao amin’i Jesoa Kristy no fandresena lehibe indrindra omen’ Andriamanitra ny mpino sy mpankato ny sitrapony.

2-Mahazo fanambinana (and 8)

Rehefa mandinika tsy tapaka ny Tenin’ Andriamanitra sy manaiky ho tarihany i Josoa dia mitondra hery hanampy azy amin’ny ady ataony izany. Hery mitarika azy handroso hatrany fa tsy hihemotra ny teny fampanantenana sy ny fananarana avy amin’Andriamanitra . Ka ny fanambinana amin’izay fotoana izay dia ny ady atao miaraka amin’ Andriamanitra . Ary izany ny adin’ny kristiana , ady miaraka amin’ny herin’ny fampanantenam-pamonjena sy fiainana ho amin’i Jesoa Kristy . Noho izany , tsy tokony hisy kristiana hihemotra amin’ny iraka nampanaovin’ Andriamanitra azy satria tsy mandeha irery fa miaraka amin’ny fanambinan’ny Tompo .

Fanontaniana:

Iainanao ve ny vokatry ny fankatoavana ny didin’ny Tompo ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM