Ny olona manana ny Tenin’ Andriamanitra
Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 10 Febroary 2020
2TANTARA 23.1-11
2TANTARA 23.1-11
1 Ary tamin'ny taona fahafito Joiada nitombo hery ka nanao fanekena tamin'ny mpifehy zato, dia Azaria, zanak'i Jerohama, sy Isimaela, zanak'i Johanana, sy Azaria, zanak'i Obeda, sy Mahaseia, zanak'i Adaia, ary Elisafata, zanak'1 Zikry. 2 Ary nitety an'i Joda Ireo ka namory ny Levita avy tany amin'ny tanànan'ny Joda rehetra sy ny lohan'ny fianakaviana tamin'ny Isiraely, dia tonga tany Jerosalema ireo. 3 Ary ny olona rehetra vory tao dia nanao fanekena tamin'ny mpanjaka tao an-tranon'Andriamanitra. Ary hoy Joiada taminy: Indro, ny zanaky ny mpanjaka no hanjaka araka ny efa nolazain'i Jehovah ny amin'ny taranak'i Davida. 4 Izao no hataonareo: ny ampahatelonareo izay milatsaka amin'ny Sabata, dia ny mpisorona sy ny Levita, ho mpiandry varavarana; 5 ary ny ampahatelonareo ho ao an-tranon'ny mpanjaka; ary ny ampahatelonareo ho eo amin'ny vavahadin'ny fanorenana; ary ny vahoaka rehetra kosa dia ho eo amin'ny kianjan'ny tranon'i Jehovah. 6 Fa aza avela hisy hiditra ao an-tranon'i Jehovah afa-tsy ny mpisorona sy ny Levita izay manao fanompoam-pivavahana ihany; ireo ihany no hiditra, satria masina ireo; fa ny vahoaka rehetra kosa dia hitandrina izay nasain'i Jehovah hotandremana. 7 Ary ny Levita hanemitra manodidina ny mpanjaka, samy mitana ny fiadiany avy; ka na iza na iza miditra ao an-trano dia Vonoy, ary arahonareo ny mpanjaka, na miditra na mivoaka izy. 8 Ary ny Levita sy ny Joda rehetra dia nanao araka izay rehetra nandidian'i Joiada mpisorona azy, ka samy nitondra ny olom-peheziny izay nilatsaka tamin'ny Sabata sy izay niala tamin'ny Sabata izy; fa Joiada mpisorona tsy nandrava ny antokony. 9 Ary nomen'i Joiada mpisorona ho an'ny mpifehy zato ny lefona sy ny ampinga kely sy ny ampinga lehibe, izay an'i Davida mpanjaka ka tao an-tranon'Andriamanitra. 10 Ary ny vahoaka rehetra dia nalahany, samy nitana ny fiadiany avy hanodidina ny mpanjaka hatramin'ny lafiny ankavavan'ny trano ka hatramin'ny lafiny ankavia, hatramin'ny alitara ka hatramin'ny trano. 11 Dia nentiny nivoaka ny zanakalahin'ny mpanjaka ka nampisatrohiny ny satro-boninahitra, sady notolorany ny teni-vavolombelona*, ka dia nampanjakainy. Ary Joiada sy ny zanany nanosotra azy ka niantso hoe: Ho ela velona anie ny mpanjaka! [Dia ny Didy Folo]Ny olona manana ny Tenin’ Andriamanitra
1-Miverina amin’ny faneken’ Andriamanitra
Noho ny zava-misy niainan’ny mponin’i Joda dia nitsangana i Joiaida mpisorona , ka nanao fanekena tamin’ireo tomponandraikitra ny Jiosy , eny , nampahatsiahy fa Andriamanitra efa nanao fanekena fa avy amin’ny taranak’iDavida no tokony ho mpanjaka . Noho izany , nasehony fa tokony hiverenana ny faneken’ Andriamanitra eo amin’ny fanosorana mpanjaka . Ny olona manana ny Tenin’ Andriamanitra dia miverina amin’ny fanekena hatrany.
2-Mahay manao fandaminana
Zava-dehibe tokoa no nirosoan’ny vahoaka Jiosy dia ny fanosorana mpanjaka avy amin’ny taranak’i Davida .Koa mba hisian’ny fahombiazana manoloana ny sakana mety ataon’ny fahavalo dia nanao fandaminana miavaka i Joiada mpisorona . Notsinjarainy sy napetrany tamin’ny anjara toerana misy azy ny tsirairay : ireo mpisorona , ny Levita, ny mpiandry varavarana . Feno fahendrena ny olona manana ny Tenin’Andriamanitra ka mahay mandamina .
3-Tolorana andraikitra
Nifamatotra tamin’ny fanosorana an’i Joasy ho mpanjakan’i Joda ny fanoloran’i Joiada mpisorona azy ny Teni-vavolombelona (didy folo). Fanehoana izany fa ny olona manana ny didy sy fitsipika avy amin’ Andriamanitra no azo tolorana andraikitra mba hitondra vahoaka .Ny olona manana ny Tenin ‘Andriamanitra no afaka mitondra ny olona ho amin’ny fahamasinana sy fankatoavana an’ Andriamanitra .
Fanontaniana:
Lazao ny andraikitra miandry ny olona manana ny Tenin’ Andriamanitra sy mahatsiaro ny Tenin’ny fanekena?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM