Ny olona manana ny Fanahin’Andriamanitra ao anatiny
Mofonaina anio: Asabotsy, faha 18 Mey 2024
Genesisy 41. 33-40
Genesisy 41. 33-40
33 Koa ankehitriny aoka Farao hizaha lehilahy manan-tsaina sady hendry ka hanendry azy hanapaka ny tany Egypta. 34 Aoka hanao izany Farao, ary aoka izy hanendry mpikarakara hitandrina ny tany sy hamory ny ampahadimin'ny vokatry ny tany Egypta amin'ny taon-jina fito. 35 Ary aoka izy ireo hanangona ny hanina rehetra amin'ireo taona tsara ho avy ireo ka hamory vary be amin'ny anaran'i Farao ho fihinana any amin'ny tanana maro, ka aoka hitahiry izany izy 36 Ary aoka izany hanina izany hotehirizina ao amin'ny tany ho amin'ny fito taona mosarena, izay ho tonga amin'ny tany Egypta, mba tsy ho simban'ny mosary ny tany. 37 Ary sitrak'i Farao sy ny mpanompony rehetra izany hevitra izany. 38 Dia hoy Farao tamin'ny mpanompony: Hahita lehilahy tahaka io, izay manana ny Fanahin'Andriamanitra ao anatiny, va isika? 39 Ary hoy koa Farao tamin'i Josefa: Satria efa nampahafantarin'Andriamanitra anao izany rehetra izany, dia tsy misy lehilahy manan-tsaina sady hendry tahaka anao; 40 koa ianao no hanapaka ny ato an-tranoko, ary araka ny teninao no hitondrana ny oloko rehetra; ny seza fiandrianana ihany no hahalehibe ahy noho ianao.Ny olona manana ny Fanahin’Andriamanitra ao anatiny
1- Mahita vahaolana
Nanazava i Josefa fa izay kasain’Andriamanitra no nambarany tamin’i Farao tamin’ny nofy. Hisy ny fito taona zina, fahavokarana arahin’ny taona fito mosary. Ilaina ny fanangonana vokatra mandritra ny fahabetsahan’ny vokatra anaty fito taona iatrehana ny mosary. Mila manendry olona afaka hisahana izany famoriana vokatra izany i Farao. Afaka nanome vahaolana i Josefa noho ny Fanahy Masina tao aminy.
2-Inoan-teny
Avy any am-ponja i Josefa no nantsoina hanazava ny nofon’i Farao. Tsy nijery ny toerana niaviany i Farao fa nino ka nanaiky ny vahaolana natolony. Ilay Farao mpanjaka nanana ny voninahiny manokana, kanefa nanaiky hihaino, nino sy nandray ny tenin’ilay avy any am-ponja. Ny Fanahin’Andriamanitra nampahery an’i Josefa no fototra nahatonga azy ho afaka nampahery sy ninoana teny.
3- Omena andraikitra
Torohevitra nomen’i Josefa ny hanendren’i Farao lehilahy iray manana fahendrena sy fahaiza-manao, mba hanapaka sy hanangona vokatra any amin’ny faritra samihafa. Noraisin’i Farao ny tolo-kevitra. Tsy nitady lavitra anefa i Farao fa i Josefa no naharesy lahatra azy. I Josefa no ninoany fa lehilahy manana fahendrena sy manana ny Fanahin’ Andriamanitra ka mendrika ho amin’io andraikitra famoriana vokatra io. Ny olona manana ny Fanahy Masina dia azo itokiana, ka tolorana andraikitra na dia ao anatin’ny fotoan-tsarotra aza.
Fanontaniana
Vanim-potoanan’ny fanavaozana ireo tompon’andraikitra amin’ny sehatra samihafa ao amin’ny Fiangonana izao. Olona manao ahoana no tokony hotolorana andraikitra?
Sampana Sekoly Alahady Foibe