Ny olona manana ny Fanahin’Andriamanitra

Mofonaina anio: Alahady, faha 17 Mey 2020

1 JAONA 4.12-16

1 JAONA 4.12-16
12 Tsy mbola nisy olona nahita an'Andriamanitra na oviana na oviana. Raha mifankatia isika, dia mitoetra ato amintsika Andriamanitra, ary tanteraka ato amintsika ny fitiavany*. [* Na: ny fitiavana Azy] 13 Izao no ahafantarantsika fa mitoetra ao aminy isika, ary Izy ato amintsika, dia ny nanomezany antsika ny Fanahiny. 14 Ary izahay efa nahita ka manambara fa ny Ray efa naniraka ny Zanaka ho Mpamonjy izao tontolo izao. 15 Na iza na iza manaiky fa Zanak'Andriamanitra Jesosy, dia mitoetra ao aminy Andriamanitra, ary izy kosa ao amin'Andriamanitra. 16 Ary isika efa mahalala sy mino ny fitiavan'Andriamanitra antsika. Andriamanitra dia fitiavana; ary izay mitoetra amin'ny fitiavana no mitoetra ao amin'Andriamanitra, ary Andriamanitra ao aminy.

Ny olona manana ny Fanahin’Andriamanitra

1-Miaina amin’ny fitiavan’Andriamanitra

Ny porofo iray izay maneho fa manana an’Andriamanitra na itoeran’Andriamanitra amin’ny alalan’ny Fanahiny ny olona iray, dia izy miaina amin’ny fitiavana.Tia an’Andriamanitra izy sady mahay mitia ny namany.Miaina amin’ny didim-pitiavana nandidian’i Jesoa .Tsy hitantsika eo amin’ny fiaraha-monina misy antsika intsony i Jesoa Kristy , tsy afaka hahita Azy izao tontolo izao.Na dia eo aza anefa izany toe-javatra izany , rehefa miaina amin’ny fitiavana marina avy amin’Andriamanitra ny mpino kristiana , ilay kristiana tarihin’ny Fanhy Masina dia ho tafapaka amin’izao tontolo izao ny fitiavan’Andriamanitra.

2-Maneho mandrakariva ny finoany an’i Jesoa Kristy

Mijoro ho vavolombelona eto i Jaona maneho ny finoany , indrindra amin’ny maha-mpianatra niara-niaina tamin’i Jesoa Kristy azy. Andriamanitra no naniraka an’i Jesoa Zanany ho Mpamonjy (and14), nanavotra izao tontolo izao tamin’ny fatoran’ny fahotana.Tsy tokony nijanona teo amin’ny mpianatra izay niara-niaina tamin’i Jesoa Kristy irery ihany izany finoana izany fa ho tafapaka amin’izay rehetra manaiky Azy ho Mpamonjy , izany hoe: rehefa mitoetra ao am-pon’ny olona amin’ny alalan’ny Fanahy Masina ny Tompo dia maneho izany finoana izany amin’ny hafa izy (and15).Mila anao izay nandray ny Fanahiny ny Tompo , mba haneho ny finoana avy hatrany.

Fanontaniana:

Fomba ahoana no entinao maneho eo imason’ny olona rehetra fa mitoetra ao anatinao amin’ny alalan’ny Fanahy Masina ny Tompo ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM