Ny  olona manana an’iKristy 

Mofonaina anio: Talata, faha 04 Aogositra 2020

FILIPIANA 1.12-21

FILIPIANA 1.12-21
12 [Ny toetr'i Paoly tao amin'ny fifatorana, sy ny fanantenany] Ary tiako ho fantatrareo, ry rahalahy, fa izay zavatra nanjo ahy dia efa tonga fampandrosoana ny filazantsara kosa; 13 ka ao amin'i Kristy ny fifatorako dia fantatry ny mpiambina andriana rehetra* mbamin'ny olona hafa rehetra; [* Gr. mpiambina pretoriana rehetra; na: eran'ny pretoria] 14 ary ny ankabiazan'ny rahalahy dia efa matoky ao amin'ny Tompo noho ny fifatorako ka mihasahisahy kokoa hitory ny tenin'Andriamanitra tsy amin'ny tahotra. 15 Fialonana sy fifandirana aza no itorian'ny sasany an'i Kristy, ary fifaliana kosa ny an'ny sasany; 16 fitiavana ny an'ny sasany, satria fantany fa voatendry ho mpanafa-tsiny ny filazantsara aho; 17 fifampiandaniana kosa no itorian'ny sasany an'i Kristy, fa tsy mba fo madio, ka mihevitra hanampy fahoriana ny fifatorako. 18 Ahoana ary no izy, afa-tsy izao? Amin'ny atao rehetra, na amin'ny fihatsaram-belatsihy, na amin'ny marina, dia Kristy no torina, ary mifaly amin'izany aho; eny, mbola hifaly ihany aho. 19 Fa fantatro fa ho tonga famonjena ahy izany noho ny fangatahanareo sy ny fanomezana* ny Fanahin'i Jesosy Kristy, [* Na: fanomezan'] 20 araka ny hafatratry ny faniriako sy ny fanantenako fa tsy hahazo henatra aho, na amin'inona na amin'inona; fa amin'ny fahasahiana rehetra, tahaka ny amin'ny mandrakariva, dia ankehitriny koa no hankalazana an'i Kristy ao amin'ny tenako, na amin'ny fiainana, na amin'ny fahafatesana. 21 Fa Kristy no anton'ny ahavelomako, ary ny fahafatesana no hahazoako tombony.

Ny  olona manana an’iKristy 

Miavaka  I Paoly  Apostoly  eo  amin’ny  fanarahan-dia satria raha isan’ireo  mpanenjika  ny  Tompo  tamin’ny hafanampo  mihitsy  izy tany am-boalohany  dia niova  ka lasa mpanara-dia ny  Tompo  indray  tamin’ny hafanampo  be indrindra koa rehefa nisehoan’ny Tompo . Nahavita nanohitra ireo  mpiara-dia taminy  fahiny  aza izy  . Ataon’ny mpahay Baiboly hoe : “ilay Misionera  ngezalahy  indrindra” izy noho  ny asa misiona vitany  . Ankoatra izany  , nahasoratra foto-pampianarana miavaka tokoa izy (Gal 2.20/Fil 1.21. Eo anatrehan’izany , atao hoe : manana an’I Kristy izy satria :

1-Nahafoy tena  

Raha ny zava- boalaza eo amin’ny and 12-13  dia toa vao mainka mifaly aza I Paoly noho ny zavatra manjo azy . Voalaza mantsy  fa mifatotra noho ny amin’I Kristy  izy , izany hoe:  migadra  noho ny fanarahan-dia  ny Tompo  . Tsy mampaninona azy anefa izany noho ny  fitiavany  ny  Tompo Andriamanitra , satria efa niova ho mpanara-dia ny Tompo  izy ka nahafoy  ny zavatra  rehetra  , eny hatramin’ny ainy aza.

2-Nitarika ny hafa ho sahy  amin’ny fitoriana koa .

Lazaina hoe: mpialoha làlana ny mpitory ny Filazantsara  i Paoly satria noho ny fahitan’izy ireo na ny fandrenesany ihany aza , izay nataon’I Paoly  dia nahatonga  azy ireo  sahy mitory ny Filazantsaran’I Kristy  koa. Mampahatsiaro  ny tantaran’ny Maritiora Malagasy  indrindra izany ( ny nahitan-dRafaralahy  Andriamazoto  an-dRasalama ) ka nahatonga ny ran’izy ireny ho zary zezika  hampandrobona ny Fiangonana kristiana teto Madagasikara .

Fanontaniana :

Amin’ny sehatra  inona no ahafoizan’ny olona tena amin’izao fotoana izao ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM