Ny olona mahita ny fahalehibiazan’Andriamanitra

Mofonaina anio: Alahady, faha 25 Jolay 2021

ISAIA6.1-8

Isaia 6,1 - 8
1 [Ny nanendrena an'Isaia ho mpaminany] Tamin'ny taona nahafatesan'i Ozia mpanjaka no nahitako ny Tompo nipetraka teo ambonin'ny seza fiandrianana avo sady manerinerina, ary ny ebaneban'akanjony nahafeno ny tempoly. 2 Nisy serafima nitsangana teo amboniny, samy nanana elatra enina avy; ny roa nanaronany ny tavany, ny roa nanaronany ny tongony, ary ny roa nanidinany. 3 Ary nanandratra ny feony izy ka nifamaly hoe: Masina, masina, masina Jehovah, Tompon'ny maro; Henika ny voninahiny ny tany rehetra*.[Na: Voninahiny avokoa ny eran'ny tany] 4 Dia nihorohoro ny fanambanin'ny tokonana noho ny feon'ireo nanandratra ny feony; ary feno setroka ny trano. 5 Dia hoy izaho: Lozako! maty aho! fa lehilahy maloto molotra, sady ato amin'ny firenena maloto molotra no itoerako, fa ny mpanjaka, dia Jehovah, Tompon'ny maro, no efa hitan'ny masoko. 6 Dia nanidina nanatona ahy ny serafima anankiray nitondra vain'afo* teny an-tànany, izay nalainy tamin'ny ny tandra avy teo amin'ny alitara.[Na: vato mahamay] 7 Ary natehiny ny vavako izany, ka hoy izy: Indro, efa nitehika tamin'ny molotrao io; ka dia afaka ny helokao, ary voavela ny fahotanao. 8 Ary nandre ny feon'ny Tompo aho nanao hoe: Iza no hirahiko, ary iza no handeha ho irakay? Dia hoy izaho: Inty aho, iraho aho.

Ny olona mahita ny fahalehibiazan’Andriamanitra

1-Mahatsiaro ny faharatsiany

« Lozako ,maty aho fa lehilahy maloto molotra sady ato amin’ny firenena maloto molotra  » (and 5)

Teny nataon’i Isaia noho ny fahitany ny fahamasinana sy ny Voninahitr’Andriamanitra tamin’ny niantsoana azy ho Mpaminany . Nahatsiaro ho mpanota i Isaia ka fitsarana no anton’izao fisehoan-javatra izao . Raha tsy izany , fahasoavana ka mikendry fizahantoetra , kanefa ny vahoaka sy ny mpitondra tsy mety miova . Amin’ny fotoana izay anehoan’Andriamanitra ny fahamasinany sy ny Voninahiny amin’ny olona dia ho tsapan’izany olona izany ny maha-mpanota azy sy ny fahotan’ny firenena misy azy . Naseho tao amin’i Jesoa Kristy ny fahamasinana sy Voninahitr’Andriamanitra mba hialan’ny olona amin’ny ratsy .

2-Antsoin’Andriamanitra ho irany

« Iza no hirahiko , ary iza no handeha ho irakay ? Dia hoy izaho : inty aho , iraho aho » (and 8)

Tenin’Andriamanitra miantefa tamin’i Isaia taorian’ny fanadiovana ho afaka tamin’ny heloka rehetra io (and7) . Na dia mpanota aza i Isaia sady mipetraka amin’ny firenena mpanota dia nodiovin’Andriamanitra ho afaka tamin’ny fahotana ,mba hanirahana azy ka rehefa nahatsapa ny fanadiovan’Andriamanitra izy dia nanaiky ny antson’Andriamanitra . Ny anton’ny fanadiovana ny olona amin’ny fahotana dia antso hanao ny irak’Andriamanitra . Ary amin’ny fotoana izay hahatsiarovan’ny olona fa voavela ny helony , tamin’ny alalan’i Jesoa Kristy dia tsy misalasala izy mamaly ny antson’ Andriamanitra .

Fanontaniana :

Nantsoin’Andriamanitra ianao , ahoana ny fiheveranao ny tenanao manoloana ny fahamasinany ? Inona no sakana tsy hamalianao izany antso izany ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM