Ny olona mahay mihaino ny Tenin’ i Jesoa Kristy

Mofonaina anio: Alahady, faha 14 Febroary 2021

JAONA 6.60-71

JAONA 6.60-71
60 Koa maro tamin'ny mpianany, nony nandre, dia nanao hoe: Sarotra izany teny izany, iza no mahahaino izany? 61 Ary fantatr'i Jesosy tao am-pony fa nimonomonona tamin'izany ny mpianany, ka dia hoy Izy taminy: Mahatafintohina anareo va izay? 62 Mainka raha mahita ny Zanak'olona miakatra ho any amin'izay nitoerany taloha ianareo. 63 Ny fanahy no mahavelona; ny nofo tsy mahasoa na inona na inona; ny teny izay nolazaiko taminareo dia fanahy sy fiainana. 64 Fa misy ny sasany aminareo izay tsy mino. Fa fantatr'i Jesosy hatramin'ny voalohany izay tsy nino sy izay hamadika Azy. 65 Ary hoy Izy: Izany no nilazako taminareo fa tsy misy olona mahay manatona Ahy, raha tsy nomen'ny Ray azy izany. 66 Hatramin'izany* dia maro tamin'ny mpianany no nihemotra ka tsy niara-nandeha taminy intsony. [*Na: Noho izany] 67 Dia hoy Jesosy tamin'ny roa ambin'ny folo lahy: Hianareo koa va mba te-hiala? 68 Simona Petera namaly Azy hoe: Tompo ô, hankany amin'iza moa izahay? Hianao no manana ny tenin'ny fiainana mandrakizay. 69 Ary izahay mino ka mahalala fa Hianao no Ilay Masin'Andriamanitra. 70 Jesosy namaly azy hoe: Tsy Izaho va no nifidy anareo roa ambin'ny folo lahy, nefa ny anankiray aminareo aza dia devoly? 71 Fa Izy nilaza an'i Jodasy, zanak'i Simona Iskariota; fa izy no ilay efa hamadika Azy, nefa isan'ny roa ambin'ny folo lahy.

Ny olona mahay mihaino ny Tenin’ i Jesoa Kristy

1-Misafidy ny hiaraka Aminy hatrany

Sarotra tamin’ny olona ny nihaino ny fampianarana nataon’i Jesoa mahakasika ny « mofonaina« . Toa kivy ny olona sasany ka nimonomonona fa sarotra tanterahina eo amin’ny fiainana izany fampianarana izany . Maro noho izany ireo olona efa nanara-dia Azy no nihemotra sy tsy nanaraka Azy intsony . Ireo mpianatra 12 lahy izay efa nofidiany manokana kosa , rehefa nanontaniany dia nanambara mazava fa ny miaraka amin’i Jesoa no mety amin’izy ireo : »Tompo ô , hankany amin’iza moa izahay ? Ianao no manana ny Tenin’ny fiainana mandrakizay« . Tsarovy fa ao amin’i Jesoa no misy ny tena fiainana ho antsika . Mahaiza mihaino ny feony ka hamafiso ny safidinao hiaraka Aminy mandrakizay .

2- Manamafy ny finoany

Tsy nijanona tamin’ny fanapahankevitra hiaraka amin’i Jesoa ihany ny valin-teny nataon’i Petera fa indro izy naneho ny finoany , ny fahalalana ny maha-Izy Azy an’i Jesoa : « Ary izahay mino ka mahalala fa ianao no Ilay Masin’ Andriamanitra » . Fanekempinoana miavaka izany , fanekena fa i Jesoa no Ilay nirahin’Andriamanitra ho famonjena izao tontolo izao . Miorina amin’ny finoana marina ny olona mahay mihaino sy mandray ny Tenin’Andriamanitra. Raha tianao ny hitombo sy hiorina amin’ny finoana , hahafahanao manao ny asa fanompoana niantsoan’i Jesoa Kristy anao amin’ny maha- fiangonana ianao dia mazotoa mihaino ny Teniny sy ny fampianarany .

Fanontaniana:

Nahoana no tsy miorina tsara amin’ny finoana ny olona?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM