Ny Olona mahatsiaro ny Mpitondra azy

Mofonaina anio: Asabotsy, faha 27 Febroary 2021

Hebreo 13:7-16

Hebreo 13:7-16
7 Tsarovy ny mpitondra anareo, izay efa nitory ny tenin'Andriamanitra taminareo; hevero ny niafaran'ny fiainany, ka araho ny finoany. 8 Jesosy Kristy no tsy miova omaly sy anio ary mandrakizay. 9 Aza mety havilin'izay fampianarana maro hafahafa ianareo. Fa tsara raha ampiorenina amin'ny fahasoavana ny fo, fa tsy amin'ny hanina, izay tsy mahasoa ny mahavatra azy. 10 Isika manana alitara, izay tsy ananan'ny mpanompo ny tabernakely fahefana hihinanana. 11 Fa rehefa nentin'ny mpisoronabe niditra ho ao amin'ny fitoerana masina ho fanatitra noho ny ota ny ran'ny biby, dia nodorana teny ivelan'ny toby ny fatiny. 12 Ary amin'izany Jesosy koa dia niaritra teny ivelan'ny vavahady mba hahamasina ny olona amin'ny ràny. 13 Koa aoka isika hivoaka hankeo aminy eo ivelan'ny toby, mitondra ny latsa izay nentiny. 14 Fa et? isika tsy manana tanàna maharitra, fa mitady ny ho avy. 15 Koa aoka isika hanatitra ny fanati-piderana amin'ny alalany ho an'Andriamanitra mandrakariva, dia ny vokatry ny molotra izay manaiky ny anarany. 16 Fa aza manadino hanao soa sy hiantra; fa fanatitra toy izany no sitrak'Andriamanitra.

Ny Olona mahatsiaro ny Mpitondra azy

  • Maka tahaka ny finoany.
  • « Maneke ny mpitondra anareo, ka manoava azy, fa izy miambina ny fanahinareo » (and. 17)

    Tamin’ny fotoana izay nanoratana ity Epistily ity dia nisy ireo Mpitandrina namahana Tenin’Andriamanitra ny « ondry », nandeha tamin’ny fahatokiana sy fanekena an’i Kristy izy ireo noho ny finoana tao amin’izy ireo ary naharitra tamin’ny finoana hatramin’ny farany, ary ny sasany aza maty maritiora. Izany no nampaherezana ny mpino mba hanao modely azy ireny amin’ny asa fanompoana. Ny fanekena ny mpitondra ankehitriny indrindra ireo mino an’i Kristy sy ny fanoavana azy, dia midika ho fanekena an’i Kristy sady mariky ny fahatsiarovana ireny mpitondra mahery tamin’ny finoana ireny. Koa ataovy amin’ny finoana ny asan’Andriamanitra.

    2. Miorina amin’ny fahasoavana

    « … tsara raha ampiorenina amin’ny fahasoavana ny fo fa tsy amin’ny hanina, izay tsy mahasoa ny mahavatra azy (and.9)

    Tamin’ny fotoana izay nanoratana ity Epistily ity dia nisy ireo mpampianatra sandoka nitaona ny olona hifady ny hanina sasantsasany (Kol. 2:21. Ny fametrahana izany didy izany dia midika ho fialana amin’ny fahasoavana ka mitarika ny olona amin’ny fivavahana amin’ny endrika ivelany fotsiny ihany. Kanefa tsy mampiorina ny finoany akory. Amin’izao andro iainantsika izao, dia misy ihany koa ireny karazana fampianaran-diso ireny. Mila mitandrina isika mba tsy ho voasarika amin’izany, fa ny fialana amin’ny finoana marina ho amin’ny fampianaran-diso dia midika ho fialana amin’ny fahasoavana. Tehirizo ny fahasoavan’i Jesoa Kristy ao aminao.

    Fanontaniana : Ahoana ny fomba entinao miady amin’ny fampianaran-diso