Ny olona maharitra amin’ny finoana

Mofonaina anio: Zoma, faha 02 Oktobra 2020

HEBREO 10.32-39

HEBREO 10.32-39
32 Fa tsarovy ny andro fahiny izay naharetanareo ny ady mafy tamin'ny fahoriana, rehefa nohazavaina ianareo; 33 indraindray raha natao ho fizaha noho ny fanaratsiana sy ny fampahoriana ianareo, ary indraindray koa raha tonga naman'izay azon'izany. 34 Fa sady niara-niaritra tamin'izay nifatotra ianareo no nifaly raha norobaina ny fanananareo, satria fantatrareo fa ianareo dia manana fananana tsara lavitra sady maharitra*. [* Na: fa ianareo dia manana ny tenanareo ho fananana tsara lavitra sady maharitra] 35 Koa aza manary ny fahasahianareo izay misy valiny lehibe. 36 Fa tokony hanana faharetana ianareo raha hahazoanareo izay lazain'ny teny fikasana, rehefa vitanareo ny sitrapon'Andriamanitra. 37 Fa "rehefa afaka kelikely, Dia ho tonga Ilay ho avy, fa tsy hitaredretra" 38 Ary "ny oloko marina* dia ho velon'ny finoana;" Fa raha mihemotra izy, dia tsy sitraky ny fanahiko (Hab. 2.3, 4). [* (ny marina)] 39 Fa isika tsy mba naman'izay mihemotra ho amin'ny fahaverezana, fa naman'izay mino ho amin'ny famonjena ny fanahy.

Ny olona maharitra amin’ny finoana

1-Mifaly amin’ny fahoriana

« Fa sady niara-niaritra amin’izay nifatotra hianareo no nifaly raha norobaina ny fanananareo » (and34)

Fampahatsiahivana ny famirapiratan’ny finoana nananan’ny Hebreo ity voalaza eto ity. Na dia nandalo fotoan-tsarotra sy fanenjehana namaivay aza izy ireo :nofatorana , nogadraina, norobaina ny fananany dia tsy kivy fa vao mainka nifaly aza satria fantatr’izy ireo fa mihoatra lavitra noho izany ny harena ananany amin’ny finoana an’i Jesoa Kristy . Araka izany , ny olona izay mahatsapa fa harena sarobidy mihoatra noho ny harena rehetra ny finoana an’i Jesoa Kristy dia mifaly amin’ny fahoriana sy ny fanenjehana noho ny amin’ny finoana Azy . Koa sarobidy loatra ny finoana an’i Jesoa Kristy ; mifalia amin’izany na dia ao anaty fahoriana aza .

2-Manao ny sitrapon’Andriamanitra hatrany

Nanoloana ireo fanenjehana sy fampahoriana ary famonoana nahazo ny kristiana maro teo amin’izy ireo , notaomina ireto Hebreo ireto tsy niala amin’ny finoana an’i Jesoa Kristy satria nanana fanantenana. Andriamanitra tokoa dia efa nampanantena fiainana ho an’ny olona izay maharitra amin’ny fanaovana ny sitrapony . Nandray izany fampanantenam-pamonjena izany ireto Hebreo ireto .Koa ny olona manantena ny famonjen’Andriamanitra ao amin’i Jesoa Kristy dia miaina ny sitrapon’Andriamanitra amin’ny faharetana na dia ao anaty fahoriana aza.

« Tokony hanana faharetana hianareo mba hahazoanareo izay lazain’ny teny fikasany, rehefa vitanareo ny sitrapon’ Andriamanitra » (and36)

Fanontaniana:

Ahoana ny fiainanao ny finoana an’i Jesoa Kristy ao anaty fahoriana sy fanenjehana?

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM