Ny olona itoeran’ny fanahin’Andriamanitra

Mofonaina anio: Talata, faha 27 Mey 2025

(Sal 97.1-6 / Hira 6.1-2 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira630.1-2)

Mpitsara 11.29-32
29 Ary tonga tao amin'i Jefta ny Fanahin'i Jehovah, dia nandeha nitety an'i Gileada sy Manase izy; ka dia nitety an'i Mizpa any Gileada koa izy ka niala tany Mizpa any Gileada, dia nandroso nankany amin'ny taranak'i Amona. 30 Ary Jefta nivoady tamin'i Jehovah ka nanao hoe: Raha hatolotrao eo an-tanako tokoa ny taranak'i Amona, 31 dia ho an'i Jehovah Izay mivoaka amin'ny varavaran'ny tranoko hitsena ahy, rehefa miverina soa aman-tsara avy any amin'ny taranak'i Amona aho, ary hateriko ho fanatitra dorana izany. 32 Dia nandeha Jefta nankany amin'ny taranak'i Amona hiady aminy: ary natolotr'i Jehovah teo an-tànany ireo.

Ny olona itoeran’ny fanahin’Andriamanitra

1- Vonona handray andraikitra noho ny fitiavana ny tanindrazana.

Na dia noroahina aza i Jefta, niala tao Gileada dia nanaiky hiverina izy rehefa notongavan’ny Fanahin’i Jehovah. Izany Fanahy izany no nitarika azy hitety ny tany satria niverina tao anatiny indray ny fitiavana ny fireneny. Izany no nanekeny handray andraikitra hitarika ny Gileada indray, araka ny fiangaviana izay natao taminy. Porofon’izany fahavononany handray andrakitra izany izay nasehony fony izy reo hiady amin’ny taranak’i Amona. Ny Fanahin’Andriamanitra dia mahatonga ny olona handray andraikitra noho ny fitiavana ny tanindrazana.

2- Miantehitra amin’ny herin’Andriamanitra

Teo anatrehan’izany fahavononan’i Jefta hifanandrina amin’ny taranak’i Amona izany dia tsy niantehitra tamin’ny herin’ny tenany izy raha nieritreritra handresy, fa nametraka ny fanantenany tamin’ny fanampian’Andriamanitra. Porofon’izany ny voady nataony tamin’Andriamanitra hoe: « …raha atolotrao eo an-tanako tokoa ny taranak’i Amona » (and 30). Izany hoe ny tanan’Andriamanitra no nantenainy hiasa hanolotra ny fahavalo ho resy eo an-tanany fa tsy ny tanjaky ny tafika izay novolavolainy. Zava-dehibe tokoa izany fianteherana amin’Andriamanitra izany satria raha misaraka amin’i Jesoa Tompon’ny fahefana sy ny hery isika dia tsy mahefa na inona na inona. Izy no afaka mampandresy antsika; ary na ny fahafatesana aza efa dia noreseny.

Fanontaniana:

Matoky an’Andriamanitra ve ianao amin’io zava-tsarotra atrehanao io? Hazavao àry!

Sampana Sekoly Alahady Foibe