Ny olona iasan’ny Fanahy Masina
Mofonaina anio: Alakamisy, faha 16 Mey 2024
Salamo 51.1-12
Salamo 51.1-12
1 [Fifonan'ny manan-keloka mba hahafahan'ny helony sy hodian'ny fifaliany amin'Andriamanitra] Ho an'ny mpiventy hira. Salamo nataon'i Davida, fony Natana mpaminany nankao aminy rehefa naka an'i Batseba izy. Mamindrà fo amiko, Andriamanitra ô, araka ny fahasoavanao; araka ny haben'ny fiantranao vonoy ny fahadisoako. 2 Sasao madio aho mba ho afa-keloka, ary diovy aho mba ho afa-pahotana. 3 Fa tsaroako ny fahadisoako, ary eo anatrehako mandrakariva ny fahotako. 4 Taminao dia taminao ihany no nanotako, ary izay ratsy eo imasonao no efa nataoko, mba ho marina Hianao, raha miteny, ary tsy hanan-tsiny Hianao, raha mitsara. 5 Indro, tamin'ny heloka no niterahana ahy, ary tamin'ny fahotana no torontoronina ahy ny reniko. 6 Indro, fahamarinana ao am-po no sitrakao; ary fahendrena ao amin'ny miafina no ampahafantarinao ahy. 7 Diovy hysopa aho ho afa-pahotana, dia hadio; sasao aho, dia ho fotsy mangatsakatsaka*.[Heb: toy ny oram-panala] 8 Ampandreneso fifaliana sy faharavoravoana aho, hifalian'ny taolana izay voavakivakinao. 9 Afeno ny tavanao ny fahotako ary vonoy ny heloko rehetra. 10 Amorony fo madio aho, Andriamanitra ô; ary havaozy hiorina marina ny fanahiko ato anatiko. 11 Aza manary ahy hiala eo anatrehanao; ary aza manaisotra ny Fanahinao Masina amiko. 12 Ampodio amiko ny fifaliana amin'ny famonjenao; ary tohàny fanahy mazoto aho.Ny olona iasan’ny Fanahy Masina
Niaiky ny fahotany i Davida mpanjaka rehefa novelarin’ i Natana mpaminany ny zava-dratsy nataony. Fiantorahana tamin’ Andriamanitra, fangatahana famindrampo no nasetriny izany.
1- Mahay mibebaka
Niteny sy nananatra i Natana mpaminany; nahay nihaino sy nandray izany i Davida mpanjaka ka nanetry tena sy nibebaka teo anatrehan Andriamanitra. Tsapany ny fahadisoany (and.4). Mampisaraka amin’Andriamanitra ny fahotana ka dia nibebaka izy. Miavaka ny olona manana ny Fanahy Masina: afaka mihaino fananarana, tsy manamarin-tena fa miaiky ny fahadisoana ka mibebaka avy hatrany.
2-Mihavao
Noho ny fahotana izay natao dia nahatsapa hirifīry tao anatiny i Davida (and.8). Kivy izy, ory ny fanahiny fa rava ny fifaliany. Ny fangatahana ny fanavaozan’ Andriamanitra ny fiainany no lalana noheveriny fa hiverenan ny fifaliany indray. Mazava ny fangatahany: «Amorony fo madio aho…havaozy hiorina marina ny fanahiko ato anatiko». Ny olona manana ny Fanahy Masina dia mangataka ny fanavaozan Andriamanitra.
3- Manamafy ny fiombonana amin’Andriamanitra
Hoy ny fangatahany eto: «Aza manary ahy hiala eo anatrehanao, ary aza manaisotra ny Fanahinao Masina amiko» (and.11). llainy eo amin’ny fiainany manontolo Andriamanitra. Tsaroany fa rehefa nanota i Saoly mpanjaka dia niala taminy ny Fanahin’ Andriamanitra ka rava ny fiainany. Simba ny fiainana raha tsy miaraka amin’Andriamanitra sy tsy manana ny Fanahin’Andriamanitra.
Fanontaniana:
Mahay miaiky ny fahadisoana ve ianao sa mpanamari-tena?
Sampana Sekoly Alahady Foibe