Ny olona iasan’ny Fanahin’ Andriamanitra
Mofonaina anio: Talata, faha 26 Mey 2020
NOMERY 24.1-9
NOMERY 24.1-9
1 Ary rehefa hitan'i Balama fa sitrak'i Jehovah ny hitahy ny Isiraely, dia tsy nandeha tahaka ny teo hanao sikidy intsony izy, fa nitodika nanatrika ny efitra fotsiny. 2 Dia natopin'i Balama ny masony, ka nahita ny Isiraely mitoby araka ny fireneny izy; ary ny Fanahin'Andriamanitra tonga tamin'i Balama. 3 Dia nanao oha-teny izy ka nilaza hoe: Hoy Balama, zanak'i Beora, dia ny lehilahy izay voakimpy ny masony 4 Izay mandre ny tenin'Andriamanitra sady mahita fahitana avy amin'ny Tsitoha, torana, kanefa voahiratra ny masony: 5 Endrey ny hatsaran'ny lainao, ry Jakoba ô! sy ny lasinao, ry Isiraely ô! 6 Tahaka ny lohasaha malalaka, tahaka ny saha ao amoron'ony, tahaka ny hazo manitra nambolen'i Jehovah, tahaka ny hazo sedera ao amoron-drano. 7 Hisy rano mandeha avy eo amin'ny sininy, ary ny taranany ho any amoron'ny renirano maro. Hisandratra noho Agaga ny mpanjakany, ary handroso voninahitra ny fanjakany. 8 Nentin'Andriamanitra nivoaka avy tany Egypta izy. Ary manan-kery toy ny ombimanga; Handany ny jentilisa fahavalony izy, ka hotapatapahiny ny taolany, ary haripany amin'ny zana-tsipìkany. 9 Mamitaka izy, mandry toy ny liona, ary toy ny liom-bavy, ka iza no hanaitra azy? Hohasoavina anie izay manisy soa anao, ary ho voaozona anie izay manozona anao!Ny olona iasan’ny Fanahin’ Andriamanitra
Natahotra ny Zanak’Israely i Balaka mpanjakan’i Moaba ka indro niantso an’i Balama mba hanozona ny Israely .Heverin’i Balaka fa izany no fomba handreseny an’Israely .
1-Manaraka ny sitrapon’Andriamanitra
Hanozona an’Israely no niantsoan’iBalaka an’i Balama .Nanao ny fomba rehetra handresen-dahatra an’i Balama izy mba hahatanteraka ny fikasany .Mazava tsara anefa ny fanambarana nataon’i Balama fa izay asain’Andriamanitra ambara ihany no ataony (Nom 22.18).Nahariharin’Andriamanitra tamin’i Balama , fa firenena voatahy Israely (Nom 22.12) . Araka izany ny sitrapon’Andriamanitra dia ny hanononan’i Balama fitahiana ho an’Israely (Nom 23.19-20).Notanterahiny tokoa izany sitrapon’Andriamanitra izany (Nom 24.1).
2-Manambara ny Tenin’ Andriamanitra
Noho ny Fanahin’Andriamanitra niasa teo amin’ny fiainan’i Balama dia nambarany fa nandray ny Tenin’Andriamanitra izy , Tenin’Andriamanitra mahakasika ny fiainan’ny Zanak’Israely .Naharihariny ny mampiavaka ny Zanak’ Israely (and5) sy ny fitahiana izay nomanin’Andriamanitra ho azy ireo .Teny milaza zava-tsoa ho an’ny olona no nambarany noho izany.Tsarovy fa rehefa miasa ao anatin’ny olona ny Fanahy Masina dia milaza zavatsoa sy fiainam-pitahiana avy amin’Andriamanitra izy .Meteza àry ianao hotarihan’ny Fanahy Masina ka hilaza zavatsoa ho an’ny manodidina anao.
Fanontaniana:
Mety ve ny manozona olona heverina fa fahavalonao? Nahoana ?Inona àry no tokony hatao?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM