Ny olona hitoeran’ny Fanahin’Andriamanitra.
Mofonaina anio: Alarobia, faha 13 Mey 2020
JOBA 27.1-7
JOBA 27.1-7
1 Dia mbola nandroso nanao oha-teny ihany Joba ka nanao hoe: 2 Raha velona koa Andriamanitra, Izay efa nandà tsy hanome ahy ny rariny, sy ny Tsitoha, Izay efa nampangidy ny aiko. 3 Fa mbola ato anatiko ihany ny aiko, ary eo am-bavoroko ny Fanahin'Andriamanitra. 4 Dia tsy hanao teny tsy marina ny molotro, ary tsy hanonom-pitaka ny lelako. 5 Sanatria raha hanaiky ny anareo ho marina aho! Mandra-pialan'ny aiko dia tsy hanaiky ny tenako ho manan-tsiny aho. 6 Ny fahamarinako dia hazoniko mafy ka tsy ho foiko; Ny foko tsy manome tsiny ahy akory na dia ny amin'ny androko iray monja aza. 7 Aoka ho hita fa ratsy fanahy ny fahavaloko, ary tsy marina izay mitsangana hanohitra ahy.Ny olona hitoeran’ny Fanahin’Andriamanitra.
1-Mahazaka fahoriana
ny bokin’i Joba dia mitantara lehilahy iray izay lazaina fa marina sy mahitsy sady matahotra an’Andriamanitra. Tsy nahasakana ny fahoriana tsy hihatra taminy anefa izany fahamarinany izany. Mampianatra antsika ity boky ity fa tsy azo melohina ho mpanao ratsy avokoa ny izay rehetra mitondra fahoriana. Betsaka ny zava-doza efa miseho sy mbola mety hiseho, ary iharan’izany avokoa na ny mpino, na ny tsy mpino. Raha vokatry ny nataontsika no nahatonga azy ireny, dia aoka hifona amin’ny Tompo isika. Fa raha tsy izany kosa dia aoka hanamafy ny finoantsika isika, satria fitsapana handalo vetivety ihany izany, ary tsy maintsy hody fifaliana sy faharavoravoana. Fa hoy Jesoa: « Aty amin’izao tontolo izao no ahitanareo fahoriana, nefa matokia. Izao efa naharesy izao tontolo izao. » (Jao 16:33)
2- Mijoro hatramin’ny farany (and.1-6)
« Raha velona koa Andriamanitra, Izay efa nandà tsy hanome ahy ny rariny , sy ny tsitoha , izay efa nampangidy ny aiko. Fa mbola ato anatiko ihany ny aiko, ary eo am-bavako ny fanahin’Andriamanitra. dia tsy hanao teny tsy marina ny molotro, ary tsy hanonom-pitaka ny lelako. ny fahamarinako dia hozoniko mafy ka tsy ho foiko » (and.2, 3, 4, 6). mety ho fitaovana eo am-pelatànan’ Andriamanitra hanadiovana antsika ny fahoriana. hahatonga antsika zanany ho matotra amin’ny fahatokiana Azy. Andeha isika hanaiky am-pitiavana ny fitsapana rehetra lalovantsika? fa: » Sambatra izay olona maharitra fakam-panahy; fa rehefa voazaha toetra izy, dia handray ny satro-boninahitra fiainana, izay nolazain’ny Tompo homena izay tia Azy. » (Jak.1 :12).
Kanefa aoka ho azo antoka fa mitoetra ao anatintsika ny Fanahy.
Fanontaniana:
Inona no maha samihafa ny fizahan-toetra sy fahoriana ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM