Ny olona efa nandray an’i Kristy

Mofonaina anio: Talata, faha 30 Jolay 2024

Kolosiana 2. 4-7

Kolosiana 2. 4-7
4 Ary izany no lazaiko, fandrao hisy hampahadiso hevitra anareo amin'ny teny toa marina. 5 Fa na dia tsy manatrika anareo amin'ny nofo aza aho, dia manatrika anareo ihany amin'ny fanahy ka mifaly sy mijery ny filaminanareo sy ny tsi-fiovan'ny finoanareo an'i Kristy. 6 Koa tahaka ny nandraisanareo an'i Kristy Jesosy Tompo, dia mandehana ao aminy araka izany koa, 7 ka mamaka tsara sy miorina mafy ao aminy ary tafatoetra amin'ny finoana, toy ny efa nampianarana anareo, ka mazoto* amin'ny fisaorana. [* Na: (mitombo amin'izany)]

Ny olona efa nandray an’i Kristy

1- Miaro ny tenany amin’ny fitaka

«Ary izany no lazaiko, fandrao hisy hampahadiso hevitra anareo amin’ny teny toa marina. » (And. 4)

Mampitandrina tamin’ny fitaka ataon’ny mpampianatra sandoka i Paoly Apostoly: fitaomana amin’ny finoanom-poana, lahateny mandresy lahatra sy toa marina saingy tsy araka an’i Kristy. Mpampianatra sandoka izay nanome lanja ny fahalalana ambony noho ny finoana sy ny fampianaran’i Kristy. Manoloana izany, dia mila mitandrina ny mpino kristiana manoloana ireo olona izay mahay manadahateny sy mandresy lahatra fa misy amin’izy ireny tsy araka an’i Kristy. Tsarovy hatrany kosa fa Jesoa Kristy no zava-miafin’Andriamanitra, Jesoa Kristy no planin’ Andriamanitra, Jesoa Kristy no famonjen’ Andriamanitra, fa tsy ny fahalalana sy ny ezaka ataon’olombelona. Miarova tena amin’izany.

2- Mitana ny fampianarana nomena azy

« … toy ny efa nampianarana anareo, ka mazoto amin’ny fisaorana.» (And. 7)

Taomina hamaka tsara sy hiorina mafy ary ho tafatoetra amin’ny finoana ny kristiana tany Tesalonika. Ny kristianisma tsy finoana fotsiny ihany fa fiainana ihany koa. Ka tokony hita tsikelikely eo amin’ny fiainan’izy ireo andavanandro izany finoana kristiana izany. Ary avy amin’Andriamanitra izany fitomboana amin’ny fiainana kristiana izany. Rehefa nandray ny fampianarana araka an’i Kristy ny olona dia tokony hitombo ao anatiny izany mba hahafahany mitoetra amin’ny finoana an’i Kristy. Ary rehefa tafatoetra amin’i Kristy ny olona dia feno fisaorana an’Andriamanitra ny fiainany noho ny fahasoavana noraisiny tao amin’i Kristy. Koa tomoera tsara amin’ny fampianarana araka an’i Kristy.

Fanontaniana:

Inona no antony mahatonga ny Kristiana ho mora voafitaka?

Sampana Sekoly Alahady Foibe