Ny olona avy amin’Andriamanitra

Mofonaina anio: Talata, faha 28 Martsa 2023

JAONA 7.14-24

JAONA 7.14-24
14 Ary rehefa nisasaka ny andro firavoravoana, dia niakatra teo an-kianjan'ny tempoly Jesosy ka nampianatra. 15 Dia gaga ny Jiosy ka nanao hoe: Ahoana no nahaizan'ilehity soratra, nefa tsy mba nianatra Izy? 16 Dia namaly azy Jesosy ka nanao hoe: Tsy Ahy ny fampianarako, fa an'izay naniraka Ahy. 17 Raha misy olona ta-hanao ny sitrapony, dia hahalala ny amin'ny fampianarana izy, na avy amin'Andriamanitra izany, na miteny ho Ahy Aho. 18 Izay miteny ho azy dia mitady ny voninahitry ny tenany; fa izay mitady ny voninahitr'izay naniraka azy no marina, ary tsy misy tsi-fahamarinana ao aminy. 19 Tsy Mosesy va no nanome anareo ny lalàna? nefa tsy misy eo aminareo mankatò ny lalàna. Nahoana ianareo no mitady hamono Ahy? 20 Ny vahoaka namaly hoe: Manana demonia Hianao; iza no mitady hamono Anao? 21 Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Asa iray loha ihany no nataoko, ka gaga avokoa ianareo rehetra. 22 Izao no nanomezan'i Mosesy anareo ny famorana: tsy noho izy avy tamin'i Mosesy, fa noho izy avy tamin'ny razana, ka na dia amin'ny Sabata aza dia mamora olona ihany ianareo. 23 Raha amin'ny Sabata aza no amorana olona, mba tsy hahafoana ny lalàn'i Mosesy, dia tezitra amiko va ianareo, satria nisy olona anankiray nataoko sitrana avokoa ny tenany rehetra tamin'ny Sabata. 24 Aza mitsara araka ny miseho, fa mba mitsarà marina.

Ny olona avy amin’Andriamanitra

1-Milaza ny fahamarinan’Andriamanitra

« …fa izay mitady ny voninahitr’ izay naniraka azy no marina ary tsy misy tsi-fahamarinana ao aminy  » (and18)

Tamin’ny fampianarana nataon’i Jesoa Kristy teo an-kianjan’ny Tempoly ny nanomezan’ny olona tsiny Azy nahazo tsiny Izy satria tsy mba fantatry ny olona ny toerana nianarany nahazoany izany fahalalana izany . Tamin’izany no nanambarany fa milaza ny marina araka an’Andriamanitra Izy satria mitady ny Voninahitr’Andriamanitra .Amin’ny fampianarana rehetra ataonao , dia aza mitady voninahitra ho anao fa ataovy marina araka ny anambaran’Andriamanitra izany . Ny olona mampianatra fahamarinana araka an’Andriamanitra no manome voninahitra an’Andriamanitra .

2-Manao ny asan’Andriamanitra

« Jesoa namaly ka nanao taminy hoe : asa iray loha ihany no nataoko ,ka gaga avokoa ianareo rehetra  » (and21)

Antony niteraka olana nahatonga ny olona hankahala an’i Jesoa Kristy ny asa mahagaga nataony tamin’ny nanasitranany ny andro sabata . Asan’Andriamanitra anefa izany ataony izany .Asa mitondra famonjena ho an’ny hafa sady ho fanehoana ny maha-fanazavana an’i Jesoa Kristy . Ny olona avy amin’Andriamanitra no manao ny asan’Andriamanitra , ary ny asan’Andriamanitra izay ataon’ny olona avy amin’Andriamanitra dia miteraka famonjena ho an’ny hafa . Koa mianara an’i Kristy , ataovy ny asan’Andriamanitra ho famonjena ho an’ny mpiara-belona mila vonjy ary ekeo eo amin’ny fiainanao fa Jesoa Kristy fahazavana no manazava ny fiainan’ny olona mila vonjy .Ny tanjon’ny asan’Andriamanitra dia famonjena.

Fanontaniana:

Inona no mahatonga anao mbola mankahala ny fahamarinana araka an’Andriamanitra ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM