Ny olona ao amin’Andriamanitra

Mofonaina anio: Talata, faha 18 Janoary 2022

Salamo 90. 1 - 6

Salamo 90. 1 - 6
1 [BOKY FAHEFATRA][Ny fiankinan'ny olo-marina amin'Andriamanitra, na dia mandalo faingana aza ny androny sady isehoan'ny fahatezeran'Andriamanitra] Fivavak'i Mosesy, lehilahin'Andriamanitra. Tompo ô, efa fonenanay hatramin'ny taranaka rehetra Hianao. 2 Fony tsy mbola ary ny tendrombohitra, Na voaforonao ny tany sy izao rehetra izao, Dia Andriamanitra Hianao hatramin'ny taloha indrindra ka mandrakizay. 3 Mamerina ny olona ho amin'ny vovoka* Hianao Ka manao hoe: Miverena, ry zanak'olombelona.[Heb. fahatorotoroana] 4 Fa eo imasonao ny arivo taona dia toy ny fandalon'ny omaly, Ary tahaka ny fotoam-piambenana iray amin'ny alina. 5 Manindao azy tahaka ny riaka Hianao torimaso izy; Amin'ny maraina tahaka ny ahitra mora miova izy. 6 Amin'ny maraina mamony izy, nefa mora miova*; Amin'ny hariva voajinja izy ka maina.[Na: Amin'ny maraina dia tahaka ny kolokolon'ahitra izy]

Ny olona ao amin’Andriamanitra

1- Manaiky ny maha hatrizay Azy

« Tompo ô, efa fonenanay hatramin’ny taranaka rehetra ianao » ( and. 1)

Ny filazana eto hoe « hatramin’ny taranaka rehetra » dia teny fampiasan’ny Salamo matetika entina ilazana fotoana taloha ela be tamin’ny andron’ny Patriarka, Abrahama, Isaka, Jakoba ary Josefa, eny talohan’izay mihitsy aza. Mampiasa izany fomba fiteny izany ny mpanao Salamo ho fanehoana fa hatrizay hatrizay ka ho mandrakizay Andriamanitra (and. 2). Amin’ny fotoana izay aneken’ny olona hitoetra ao amin’Andriamanitra dia ho resy lahatra izany olona izany fa Andriamanitra hatrizay hatrizay ka ho mandrakizay ny Andriamanitra ivavahany. Ao amin’i Jesoa Kristy ihany koa izany toetra izany ka izany no inoantsika Azy.

2- Manaiky ny fahefana ananany

« Mamerina ny olona ho amin’ny vovoka Hianao ka manao hoe : miverena ry zanak’olombelona » (and. 3)

Andriamanitra no Mpamorona izao tontolo izao kanefa izao rehetra izao tsy maharitra fa Andriamanitra kosa hatrizay hatriza ka ho mandrakizay. Samihafa ny olombelona sy Andriamanitra. Andriamanitra manana fahefana amin’ny olombelona ka mamerina azy amin’ny vovoka. Amin’ny fotoana izay aneken’ny olona fa mandalo amin’ Andriamanitra ny arivo taona, izay manana hevitra fotoana tsy manam-pahataperana, dia hanaiky ny fahefan’Andriamanitra izany olona izany ka hahatsiaro fa fohy ny androny. Efa nomena an’i Jesoa Kristy izany fahefana izany ka minoa Azy dia handova izany fiainana maharitra ao amin’Andriamanitra izany ianao.

Fanontaniana :

Inona avy ireo antony mahatonga anao handà an’Andriamanitra sy ny fahefany ?

SAMPANA SEKOLY ALAHADY FOIBE FJKM