Ny olona afaka

Mofonaina anio: Alarobia, faha 28 Mey 2025

(Sal 40.1-4 / Hira18.1-2 / Vavaka /. Mofonaina/ Vavaka /Hira 430.1-2)

2 Korintiana 3.12-18
12 Koa amin'izany, satria manana izany fanantenana izany izahay, dia sahy tokoa, 13 ary tsy tahaka an'i Mosesy, izay nanarona ny tavany tamin'ny fisalobonana, mba tsy hibanjinan'ny Zanak'Isiraely ny faran'izay nihalevona; 14 fa efa donto ny sainy; fa ambaraka androany dia mbola tsy nesorina ihany izany fisalobonana izany, raha vakina ny tenin'ny fanekena taloha, satria ao amin'i Kristy ihany no anesorana izany. 15 Fa misy fisalobonana manarona ny fony ambaraka androany, raha vakina ny tenin'i Mosesy. 16 Kanefa raha miverina amin'ny Tompo izy, dia hesorina ihany ny fisalobonana. 17 Ary ny Tompo izany Fanahy izany; ary izay itoeran'ny Fanahin'ny Tompo no itoeran'ny fahafahana. 18 Fa isika rehetra kosa amin'ny tava tsy misarona dia mijery ny voninahitry ny Tompo toy ny amin'ny fitaratra*, ka ovana hahazo izany endrika izany indrindra avy amin'ny voninahitra ka ho amin'ny voninahitra, toy ny avy amin'ny Tompo, dia ny Fanahy.[*Na: Dia tahaka ny fitaratra tarafin'ny voninahitry ny Tompo]

Ny olona afaka

Fahasoavana lehibe tokoa no iainana amin’izany fahafahana izany. Asehon’ny Soratra Masina eto àry araka ny perikopa fa ny olona afaka dia:

1- Mahatakatra ny hevitry ny Soratra Masina

Hoy ny Soratra Masina hoe: izay itoeran’ny fanahin’ny Tompo no itoeran’ny fahafahana » ary izay itoeran’ny fahafahana no afaka amin’ny fisalobonana ka mahatakatra ny hevitry ny Soratra Masina. Ny atao hoe fisalobonana dia fahamaizinan-tsaina manakana ny olona tsy hahafantatra ny sitrapon’Andriamanitra. Tonga donto ny sainy sy ny fony ka tsy mety mandray sy tsy mahatakatra ny fahazavana sy ny fahamarinan’ny Soratra Masina; hany ka manaotao foana. Andeha isika tsy hanaiky ho rakofan’i satana ny fisalobonana fa mba hanaiky ny fitarihan’ny Fanahy MAsina hahatakarantsika ny hevitry ny Soratra Masina.

2- Mijery ny voninahitry ny Tompo

Ny olona manana fanantenana araka izay ilazan’i Paoly azy dia manana fahasahiana mijery sy manatrika ny voninahitry ny Tompo. Izany hoe sahy manatrika ny Tompo amin’ny maha izy azy sy araka ny fanekena ny sitrapony, satria avy amin’izany ihany no ahafahany koa manafy voninahitra ny olona tsy ho tratry ny fisalobonana. Ny olona afaka hahatakatra ny hevitry ny Soratra Masina sy miaina amin’izany ho vavolombelon’ny Tompo ka tafiany voninahitra.

Fanontaniana:

Efa afaka amin’ny jisalobonana tokoa ve ianao ka mahatakatra ny hevitry ny Soratra Masina?

Sampana Sekoly Alahady Foibe