Ny olombelona araka an’i Paoly
Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 23 Novambra 2020
2 KORINTIANA 4.7-11
2 KORINTIANA 4.7-11
7 Fa manana izao rakitra izao amin'ny vilany tany izahay, mba ho an'Andriamanitra ny halehiben'ny hery, fa tsy ho avy aminay. 8 Voageja manodidina izahay, nefa tsy tery; very hevitra, nefa tsy mamoy fo; 9 enjehina, nefa tsy nafoy, potraka, nefa tsy maty; 10 mitondra ny fahafatesan*'i Jesosy mandrakariva ao amin'ny tena izahay, mba haseho ao amin'ny tenanay koa ny fiainan'i Jesosy. [*Gr. ny famonoanana an'] 11 Fa izahay izay velona dia atolotra ho amin'ny fahafatesana mandrakariva noho ny amin'i Jesosy, mba haseho ao amin'ny nofonay mety maty koa ny fiainan'i Jesosy.Ny olombelona araka an’i Paoly
Miresaka ny momba ny olombelona i Paoly eto : ny fahitany ny tenany eo amin’ny asa fanompoana an’ Andriamanitra . Aminy dia miaraka kokoa amin’ny olombelona rehetra ny kristiana satria :
1-Malemy (and7)
« vilany tany » no iantsoan’i Paoly ny tenany . Izany vilany tany izany dia ho enti-milaza fitaovana fampiasa andavanandro : anisan’ny malemy ,mora vaky, mora simba . Ohariny amin’izany ny tenany , izay manompo an’ Andriamanitra ,manao ny asan’ Andriamanitra . Ny vilany anefa eo amin’ny asany andavanandro dia anisan’izay tena miasa ary rehefa miasa dia miaritra ny mafy . Apetraka eo amin’ny afo isanandro . Na malemy aa isika , dia ampiasain’ Andriamanitra matetika ary anisan’izay tena miaritra zavatra mafy tokoa. Azon’ Andriamanitra ampiasaina ny mino na dia malemy aza .
2-Isehoan’ny Voninahitr’i Kristy (and10,11)
Ilay vilany tany , raha ny maha-izy azy amin’ny maha-malemy azy dia toa tsinotsinona akory . Io vilany tany io anefa , rehefa lasan’Andriamanitra , ampiasain’Andriamanitra , iasan’Andriamanitra dia afaka hanehoana ny Voninahitr’i Jesoa Kristy . Tsy ilay maha-malemy azy no inona akory , fa ilay fahasoavan’ Andriamanitra miasa amin’ny vilany tany ka ahafahan’,Andriamanitra maneho ny voninahitry ny zanany . Meteza araka izany na dia malemy aza mba hampiasain’Andriamanitra ho enti-maneho ny Voninahiny , maneho ny maha-Izy Azy an’i Jesoa Kristy zanany .Voninahitra lehibe atafin’Andriamanitra ny kristiana izany.
Fanontaniana :
Amin’ny inona avy no isehoan’ny voninahitr’i Kristy eo amin’ny fiainantsika andavanandro ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM