Ny olom-boantson’Andriamanitra

Mofonaina anio: Zoma, faha 02 Jolay 2021

Asan'ny Apostoly 10. 19 - 26

Asan'ny Apostoly 10. 19 - 26
19 Fa raha mbola nieritreritra ny fahitana Petera, dia hoy ny Fanahy taminy: Indreo, misy telo lahy mitady anao; 20 fa mitsangàna ianao, dia midina, ary mandehana miaraka aminy, ka aza misalasala, fa Izaho no naniraka azy. 21 Ary Petera nidina tany amin'ireo olona ireo ka nanao hoe: Inty aho izay tadiavinareo; inona no anton'ny ahatongavanareo at?? 22 Dia hoy ireo: Kornelio kapiteny, lehilahy marina sady matahotra an'Andriamanitra ka tsara laza amin'ny firenen'ny Jiosy rehetra, dia efa notoroan'anjely masina hevitra hampaka anao ho any an-tranony sy hihaino teny avy aminao. 23 Ary Petera nampiantrano azy handry tao. Ary nony ampitso dia niainga Petera ka nandeha niaraka taminy, ary ny rahalahy sasany avy tany Jopa niaraka taminy koa. 24 Ary nony ampitso indray dia tonga tany Kaisaria izy. Ary Kornelio niandry azy sady efa nampiangona ny havany sy ny tena sakaizany. 25 Ary raha vao niditra Petera, dia nitsena azy Kornelio ka niankohoka teo amin'ny tongony sady nitsaoka azy. 26 Fa Petera nampitsangana azy ka nanao hoe: Mitsangàna; fa izaho dia olona ihany.

Ny olom-boantson’Andriamanitra

1- Hazavainy mandrakariva

Raha mamaky eo amin’ny and10 – 18 isika dia hahatsikaritra fa nitokam-bavaka i Petera ary tao anatin’izany no nisy fahitana tonga . Tsy azony anefa ny heviny saingy eo amin’ny and 19 dia manomboka hitany taratra ny hevitry ny fahitana. Hamafisina fa tao anaty fiainam-bavaka i Petera eto . Ny fonosin’izany dia izao : Andriamanitra ihany no manazava izay avy amin’Andriamanitra ( fahitana izy eto). Tsy avelany ho sanganehana ao anatin’ny tsy fahatakarana ny olom-boantsony. Tahaka izany indrindra koa ny fomba nampianarin’i Jesoa, rehefa tsy takatry ny mpianany na izay mihaino azy ny zava-dazainy dia izy ihany no manao fanoharana hafa vaovao mba hanazavana izany. Ianao koa, tsarovy fa Andriamanitra manome fahazavan-tsaina ny mpanompony feno fiainam-bavaka sy tsara fifandraisana Aminy . Manàna fiainam-bavaka ianao !

2-Ampianariny zava-baovao

Zava-manahirana teo amin’ny Jiosy izany hoe : hifandray, mainka moa fa hoe : hiantrano any amin’ny hafa firenena izany, ary izany no saika nahasanganehana an’i Petera raha tonga tao aminy ny irak’i Kornelio. Kanefa rehefa nanaiky handeha izy dia nahatsapa fa tena avy amin’Andriamanitra mihitsy tokoa ny zava-mitranga ary niaiky mihitsy aza i Petera hoe : « hitako marina tokoa izao fa tsy mizaha tavan’olona Andriamanitra« . Zava-baovao tamin’i Petera izao iraka nampanaovina azy izao nefa dia nampitombo ny fahalalany ny amin’Andriamanitra, nanova ny fomba fisainana tao anatiny izay nihevitra ny hafa ( jentilisa ) ho tsy mendrika hovonjena .

Fanontaniana:

Ahoana no ahafahana manavaka na avy amin’Andriamanitra ny fahitana na tsia?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE – FJKM