Ny olom-boantson’Andriamanitra
Mofonaina anio: Zoma, faha 16 Jolay 2021
Asan' ny Apostoly 7. 30 -38
Asan' ny Apostoly 7. 30 -38
30 Ary rehefa afaka efa-polo taona, dia nisy anjely niseho taminy tany an-efitry ny tendrombohitra Sinay teo anaty lelafo teo amin'ny voaroy. 31 Ary Mosesy, nony nahita, dia gaga noho ny fahitana; nefa nony nanatona handinika izy, dia tonga ny feon'ny Tompo nanao hoe: 32 Izaho no Andriamanitry ny razanao, dia Andriamanitr'i Abrahama sy Isaka ary Jakoba (Eks. 3. 6). Dia tora-kovitra Mosesy ka tsy sahy nandinika. 33 Ary hoy Jehovah taminy: Esory ny kapa amin'ny tongotrao; fa masina io tany ijanonanao io. 34 Hitako tokoa ny fahorian'ny oloko any Egypta, ary reko ny fitarainany, dia nidina hamonjy azy Aho. Koa andeha ankehitriny, dia hirahiko ho any Egypta ianao (Eks. 3. 5-10). 35 Izany Mosesy izany dia nolaviny ka nataony hoe: Iza no nanendry an'ialahy ho mpanapaka sy mpitsara? (Eks. 2. 14) kanjo izy ihany no nirahin'Andriamanitra ho mpanapaka sy mpanavotra nomban'ny tanan'ny Anjely, Ilay niseho taminy teo amin'ny voaroy. 36 Izy no nitondra ny olona nivoaka sady nanao fahagagana sy famantarana tany Egypta sy teo amin'ny Ranomasina Mena ary tany an-efitra efa-polo taona. 37 Izany no Mosesy izay nilaza tamin'ny Zanak'isiraely hoe: Mpaminany no hatsangan'Andriamanitra ho anareo avy amin'ny rahalahinareo, tahaka ahy (Deo. 18. 15). 38 Izy ilay teo amin'ny fiangonana tany an-efitra mbamin'ny Anjely izay niteny taminy tany an-tendrombohitra Sinay sy tamin'ny razantsika, ka izy no nandray teny velona mba homeny antsika.Ny olom-boantson’Andriamanitra
1- Hazavainy mandrakariva
Raha mamaky eo amin’ny and 10 – 18 isika dia hahatsikaritra fa nitokam-bavaka i Petera ary tao anatin’izany no nisy fahitana tonga. Tsy azony anefa ny heviny saingy eo amin’ny and 19 dia manomboka hitany taratra ny hevitry ny fahitana. Hamafisina fa tao anaty fiainam-bavaka i Petera eto . Ny fonosin’izany dia izao : Andriamanitra ihany no manazava izay avy amin’Andriamanitra ( fahitana izy eto). Tsy avelany ho sanganehana ao anatin’ny tsy fahatakarana ny olom-boantsony. Tahaka izany indrindra koa ny fomba nampianarin’i Jesoa, rehefa tsy takatry ny mpianany na izay mihaino azy ny zava-dazainy dia izy ihany no manao fanoharana hafa vaovao mba hanazavana izany. Ianao koa, tsarovy fa Andriamanitra manome fahazavan- tsaina ny mpanompony feno fiainam-bavaka sy ny tsara fifandraisana Aminy! Manàna fiainam-bavaka ianao!
2- Ampianariny zava-baovao
Zava-manahirana teo amin’ny Jiosy izany hoe: hifandray, mainka moa fa hoe : hiantrano any amin’ny hafa firenena izany, ary izany no saika nahasanganehana an’i Petera raha tonga tao aminy ny irak’i Kornelio, Kanefa rehefa nanaiky handeha izy dia nahatsapa fa tena avy amin’Andriamanitra mihitsy tokoa ny zava-mitranga ary niaiky mihitsy aza i Petera hoe : « hitako marina tokoa izao fa tsy mizaha tavan’olona Andriamanitra ». Zava-baovao tamin’i Petera izao iraka nampanaovina azy izao, nefa dia nampitombo ny fahalalany ny amin’Andriamanitra, nanova ny fomba fisainana tao anatiny izay nihevitra ny hafa ( jentilisa ) ho tsy mendrika hovonjena!
Fanontaniana :
Ahoana no ahafahana manavaka na avy amin’Andriamanitra ny fahitana na tsia ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE – FJKM