Ny olom-boaantson’i Kristy, rehefa miatrika ady
Mofonaina anio: Alarobia, faha 09 Jolay 2025
(Sal 43. 5 / Hira 39 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira: Salamo 25)
1 Petera 2,18 - 25
18 Hianareo mpanompo, maneke ny tomponareo amin'ny fahatahorana rehetra, tsy ny tsara sy ny malemy fanahy ihany, fa ny saro-po koa. 19 Fa izao no ankasitrahana: raha misy olona mitondra alahelo ka mandefitra ny tsy marina noho ny fieritreretana ny amin'Andriamanitra. 20 Fa inona no laza, raha tàhiny kapohina noho ny fahadisoana ianareo ka mandefitra amin'izany? Fa raha tàhiny manao soa kosa ianareo ka mitondra fahoriana sy mandefitra, dia izany no sitrak'Andriamanitra. 21 Fa ho amin'izany no niantsoana anareo; fa Kristy aza efa nijaly hamonjy anareo ka namela fianarana ho anareo, mba hanarahanareo ny diany; 22 "Izay tsy nanota akory, sady tsy nisy fitaka teo am-bavany" (Isa. 53.9); 23 raha notevatevaina Izy, dia tsy mba nanevateva; raha nijaly, dia tsy nandrahona, fa nanolotra ny adiny* ho amin'ny Mpitsara marina; [* Na: ny tenany] 24 ary Izy nitondra ny fahotantsika (Isa. 53. 12) tamin'ny tenany teo ambonin'ny hazo, mba ho faty ny amin'ny ota isika, fa ho velona ny amin'ny fahamarinana; ary "ny dian-kapoka taminy no nahasitranana anareo" (Isa. 53.5). 25 Fa efa nania toy ny ondry ianareo (Isa. 53.6), nefa ankehitriny dia efa niverina ho amin'ny Mpiandry sy Mpitandrina* ny fanahinareo.[* Gr. Episkopo]Ny olom-boaantson’i Kristy, rehefa miatrika ady:
1- Mandefitra ny tsy rariny.
«Fa raha tahiny manao soa kosa ianareo ka mitondra fahoriana sy mandefitra,…» (And.20)
Taomina ny mpanompo (andevo) mba hanaiky ny tompony. Tsy ny tompony malemy fanahy ihany fa ny saro-po ihany koa. Ny fanekena handefitra manoloana ny tsy rariny ataon’ny tompony no fandeferana takiana eto. Araka izany dia amin’ny alalan’ny fahaizan’ny olom-boaantso mandefitra ny tsy rariny atao aminy, no mahatonga an’Andriamanitra hankasitraka azy. Zava-poana eo anatrehan’ Andriamanitra ny fitondrana alahelo amin’ny fanaovana ny tsy marina. Mila mianatra mandefitra ny tsy rariny ny mpino izay voaantso ao amin’i Kristy, raha te-hahazo sitraka avy amin’ Andriamanitra.
2- Mitondra ny fahoriany amin’ny Tompo
«… raha nijaly, dia tsy nandrahona, fa nanolotra ny adiny ho amin’ny Mpitsara marina » (And. 23)
Fianarana no omen’ny Soratra Masina ho an’ny mpino maneran-tany eto, manoloana ny fahoriana mihatra aminy. Tsy ny hamaly ny mpampahory akory no atao fa ny hitodika amin’llay Mpitsara. Modely amin’izany ny nataon’i Jesoa Kristy tamin’ny fahoriana nihatra taminy, na dia tsy meloka aza Izy, dia nampahoriana, notevatevaina kanefa tsy namaly, fa nitondra ny fahoriany tamin’Andriamanitra. Noho izany, amin’ny fahoriana iaretanao noho ny fanaovana ny marina, aza manantena hery hafa fa mitodiha amin’ny Ilay Mpitsara izao tontolo izao, dia Andriamanitra Ray sy Jesoa Kristy.
Fanontaniana :
Inona avy ireo fiheveran-diso niatrehanao ny tsy rariny?
Sampana Sekoly Alahady Foibe