Ny niantsoana an’i Jeremia
Mofonaina anio: Alahady, faha 27 Jolay 2025
(Sal 134 / Hira 770 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 753)
Jeremia 1.4-10
4 Tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe: 5 Hatry ny fony ianao tsy mbola noforoniko tany an-kibo no efa fantatro, ary hatry ny fony ianao tsy mbola teraka no efa nohamasiniko sy notendreko ho mpaminany ho an'ny firenena. 6 Ary hoy kosa aho: Indrisy, Jehovah Tompo ô! indro, tsy mahay mandaha-teny aho, fa mbola zaza. 7 Fa hoy Jehovah tamiko: Aza manao hoe: Mbola zaza aho; fa handeha amin'izay rehetra hanirahako anao ianao, ary izay rehetra handidiako anao no hambaranao. 8 Aza matahotra azy ianao; fa momba anao hamonjy anao Aho, hoy Jehovah. 9 Dia naninjitra ny tànany Jehovah ka nanendry ny vavako, ary hoy Jehovah tamiko: Indro, efa nataoko ao am-bavanao ny teniko, 10 ary indro Aho manendry anao izao andro anio izao hanam-pahefana amin'ny firenena sy ny fanjakana hanongotra sy hanjera sy handrava sy handrodana ary hanorina sy hamboly.Ny niantsoana an’i Jeremia
1- Hatry ny fony izy tsy mbola noforonina tany an-kibo
Raha ny voasoratra eto dia mbola tsy teraka akory i Jeremia no efa voatendrin’ Andriamanitra mialoha ho mpaminany. Izany hoe: efa nanana drafitra manokana mikasika ny fiainan’i Jeremia Izy. Nantsoina ho mpaminany izy na día mbola tao an-kibo aza. Dia toy izany koa isika izay nantsoin’ Andriamanitra ho amin’ny asa manokana izay nifidianany antsika ho mpanompony. Ny tanjony dia ny hivelomantsika araka ny sitrapony, ka hahazoany manatanteraka ny drafitra efa nataony momba antsika manokana. Efa nomanin’ Andriamanitra mialoha hanompo eo amin’ny sehatry ny faminaniana izy. Andriamanitra no namolavola azy hatrany an-kibon-dreniny.
2- Hitondra ny Tenin’Andriamanitra.
Misy asa miandry an’i Jeremia dia ny hitondra ny teny avy amin’Andriamanitra ho an’ny vahoaka. Tsy mora izany satria hitondra teny fampaherezana sy fampanantenana ho an’ny vahoaka. Hiatrika olana sy fahoriana anefa i Jeremia satria ny hafatra ho entiny dia famaizana sy ny fanavaozana. Hokasihin’Andriamanitra ny vavany mba ho afaka hilaza ny Tenin’Andriamanitra, hitondra ny hafatra ho an’ny firenen’ Israely sy ny manodidina azy.
3- Hitondra fanavaozana.
Naseho tamin’ny kisary roa izay nosintonina teo amin’ny sehatry ny fiompiana sy ny fambolena ary ny fanorenan-trano ny asam-panavaozana. hamongotra ary hanorina sy hamboly. Tsy maintsy mandalo amin’izany Jeremia eo amin’ny asam-panavaozana izay anirahan’ Andriamanitra azy
Fanontaniana:
Olom-boaantso ianao, inona avy ny dingana efa vitanao teo amin’ny fanompoanao?
Sampana Sekoly Alahady Foibe