Ny niakaran’i Jesoa any an-danitra
Mofonaina anio: Asabotsy, faha 31 Mey 2025
(Sal 123.1-6 / HF7.1-2 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira506.1-2)
Asan'ny Apostoly 1. 6-11
6 Koa izay tafangona teo dia nanontany Azy hoe: Tompoko, amin'izao va no hampodianao ny fanjakana ho amin'ny Isiraely? 7 Fa hoy kosa Izy taminy: Tsy anareo ny hahalala ny andro na ny fotoana izay efa notendren'ny Ray amin'ny fahefany ihany*. [*Na: izay nataon'ny Ray ho adidin'ny tenany ihany] 8 Fa hahazo hery ianareo amin'ny hilatsahan'ny Fanahy Masina aminareo, ary ho vavolombeloko any Jerosalema sy eran'i Jodia sy Samaria ary hatramin'ny faran'ny tany. 9 Ary rehefa nilaza izany Jesosy, dia nakarina Izy, raha mbola nijery izy ireo; ary nisy rahona nitondra Azy, ka tsy hitan'ny masony intsony Izy. 10 Ary raha mbola nandinika ny lanitra izy ireo tamin'ny nandehanan'i Jesosy, indreo, nisy roa lahy teo anilany niakanjo akanjo fotsy, 11 izay nanao hoe: Ry lehilahy Galiliana, nahoana no mijanona eto mijery ny lanitra ianareo? iny Jesosy Izay nampiakarina niala taminareo ho any an-danitra iny dia mbola ho avy tahaka ny nahitanareo Azy niakatra ho any an-danitra.Ny niakaran’i Jesoa any an-danitra
Efapolo andro ataorian’ny nitsanganan’i Jesoa tamin’ny maty dia nakarina velona any an-danitra Izy. Izany dia midika fa:
1- Tsy fanjakan’ny tany ny fanjakany (tsy pôlitika pôlitisiana)
Tamin’ny fahitan’ny mpianatry ny Tompo Azy nitsangan-ko velona, ka niseho taminy dia nihevitra izy ireo fa tonga ihany ny fotoana hampodiana ny fanjakana amin’Isiraely. Izany hoe ny hananganan’i Jesoa fanjakana hanafaka ny Isiraely eo ambany fanapahan’ny Romana, ary izany no nahatonga azy ireo hanontany an’i Jesoa. Valin-teny nomen’i Jesoa azy ireo ny hoe: Andriamanitra irery ihany no mahalala izay tiany hatao amin’ny fanjakana notendreny. Tsy nasian’i Jesoa resaka io fanafahana ny Isiraely amin’ny Romana io satria fanjakan’ny lanitra ny Azy fa tsy fanjakan’ny tany be pôlitika. Andeha ny pôlitikan’ny lanitra no hiainana.
2- Fanirahana ny mpianatra hijoro vavolombelony
Ny fanjakan’ny lanitra no tian’i Jesoa hitarina sy hivelatra ka izany no nanomezany toky ny mpianatra hoe: « fa hahazo hery » amin’ny Fanahy Masina izy ireo, ka hijoro ho vavolombelony any Jerosalema sy Jodia ary Samaria, eny hatrany amin’ny faran’ny tany. Variana ny mpianatra raha niandrandra ny lanitra, toa very saina ka notairin’ny anjely mba tsy hitaredretra fa hamita ny iraka, satria mbola ho avy ny Tompo hijinja ny vokatray ny asan’izy ireo. Maniraka antsika hanao ny asany koa ny Tompo ankehitriny.
Fanontaniana:
Inona no andrasan’ny Tompo aminao amin’izany Takarany velona any an-danitra izany?
Sampana Sekoly Alahady Foibe