Ny nahaterahan’i Jesoa Kristy

Mofonaina anio: Asabotsy, faha 25 Desambra 2021

LIOKA 2.8-14

LIOKA 2.8-14
8 Ary nisy mpiandry ondry tamin'izany tany izany nitoetra tany an-tsaha nitandrina ny ondriny tamin'ny alina. 9 Ary nisy anjelin'ny Tompo nitsangana teo anilany, ary ny voninahitry ny Tompo nanelatrelatra manodidina azy, ka raiki-tahotra indrindra izy. 10 Ary hoy ny anjely taminy: Aza matahotra; fa, indro, milaza teny soa mahafaly aminareo aho, dia fifaliana lehibe izay ho an'ny olona rehetra; 11 fa Mpamonjy no teraka ho anareo anie ao an-tanànan'i Davida, dia Kristy Tompo. 12 Ary izao no ho famantarana ho anareo: ianareo hahita Zazakely voahodidina lamban-jaza sady mandry ao am-pihinanam-bilona; 13 Ary nisy anjely maro be avy any an-danitra niseho tampoka niaraka tamin'ilay anjely teo ka nidera an'Andriamanitra nanao hoe: 14 Voninahitra any amin'ny avo Indrindra ho an'Andriamanitra! Ary fiadanana ho et? ambonin'ny tany amin'ny olona ankasitrahany*. [*Na: Fankasitrahana ho amin'ny olona]

Ny nahaterahan’i Jesoa Kristy

« …fa Mpamonjy no teraka ho anareo anie ao an-tanànan’i Davida dia Kristy Tompo « .Mahafaly antsika ny mahalala fa :

1-Jesoa no Kristy

Ny anarana hoe: Kristy dia midika hoe : « voahosotra » .Io no teny mahalaza ny voambolana Hebreo hoe: « Mesia » . Jesoa no Ilay voafidin’Andriamanitra sy voatendriny ka nirahiny hamonjy ny olombelona rehetra . Jesoa no Ilay voahosotr’Andriamanitra tamin’ny alalan’ny Fanahy Masina , ho mpaminany mitondra antsika ho amin’ny fahalalana ny fahamarinan’Andriamanitra .Izy no voahosotra ho mpisorona izay nanolotra ny tenany ho fanatitra fampihavanana antsika amin’Andriamanitra .Izy no hanapaka ny oony .Raha misy olona milaza ny tenany ho Mesia na milaza azy ho Kristy ankoatra Azy dia mpandainga sady mpanohitra an’Andriamanitra .

2-Izy no Mpamonjy

Samy efa nanota teo anatrehan’Andriamanitra avokoa isika rehetra fa tsy misy na dia iray akory aza . Ny fahotantsika dia mahatonga fanamelohana sy fitsarana ary fahafatesana ho antsika .Rehefa tafasaraka amin’Andriamanitra ny olona dia simba ihany koa ny fiandraisany amin’ny oona , ary mihasimba koa ny fifandraisany amin’ny zava-boahary .Koa na inona na inona ezaka atao hikatsahana fiadanana dia tsy hahomby velively izany .Miharatsy sy mihasimba ny tontolo iainana . Ny fihavanana amin’Andriamanitra irery ihany no làlana tokana hahazoam-pamonjena .Ao amin’i Jesoa Kristy no tanteraka hy fampihavanana antsika amin’Andriamanitra . Ny mpiandry ondry any an-tsaha no nisehoan’ny anjely sy nampahafantarina izany vaovao mahafaly ho an’ny olona rehetra izany .

Fanontaniana :

Inona no tena mahafaly anao amin’izao krismasy izao?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM