Ny nahaterahan’i Jaona mpanao batisa

Mofonaina anio: Zoma, faha 24 Desambra 2021

LIOKA 1.57-66

LIOKA 1.57-66
57 Ary tonga ny andro hahaveloman'i Elizabeta, dia niteraka zazalahy izy. 58 Ary ny niara-monina taminy sy ny havany nandre fa efa nohalehibiazin'ny Tompo ny famindram-pony taminy; dia niara-nifaly taminy ireo. 59 Ary tamin'ny andro fahavalo dia tonga hamora ny zaza izy, ka efa saiky hataony hoe Zakaria araka ny anaran-drainy ny anarany. 60 Fa ny reniny namaly ka nanao hoe: Tsy izany, fa hatao hoe Jaona izy. 61 Fa hoy izy ireo taminy: Tsy misy na dia iray akory aza amin'ny havanao izay manana izany anarana izany. 62 Ary nanao baikon'ny moana tamin'ny rainy iry ireo, izay tokony ho tiany hatao anarany. 63 Ary nangataka fàfana izy ka nanoratra hoe: Jaona no anarany. Dia gaga avokoa izy rehetra. 64 Ary dia nisokatra niaraka tamin'izay ny vavany, ka afaka niteny ny lelany; dia niteny izy ka nidera an'Andriamanitra. 65 Dia raiki-tahotra izay rehetra niara-monina taminy; ary niely teny amin'ny tany havoan'i Jodia rehetra ny lazan'izany rehetra izany. 66 Ary izay rehetra nandre dia nandatsaka izany tam-pony ka nanao hoe: Ho zaza hanao ahoana re io? Fa ny tanan'ny Tompo nomba azy.

Ny nahaterahan’i Jaona mpanao batisa

1-Fahatanteranan’ny fampanantenan’Andriamanitra

Niseho tamin’i Zakaria mpisorona ny anjelin’ny Tompo ka nanambara taminy fa hiteraka zazalahy izy . Jaona no hatao anarany .Tsy nino izany i Zakaria na dia naniry ny hanan-janaka aza, satria vehivavy momba i Elizabeta vadiny . Vokatr’izany dia tonga moana sy tsy afa-miteny izy mandra-pahatonga ny fotoana nahaterahan’i Elizabeta vadiny azy. Teraka soamatsara ny zaza araka izay efa nampanantenain’Andriamanitra ho antsika , na dia izay heverin’ny olona ho sarotra tanterahina aza. Aoka isika mba tsy ho isan’izay tsy mino ny fahagagam-pamonjena ataon’Andriamanitra . Efa nampanantena antsika fiainana mandrakizay Andriamanitra ary ao amin’i Jesoa Kristy zanany izany ka izay mino ny Zanaka no manana fiainana.

2-Mahagaga sy mahatalanjona

Tanteraka ara-bakiteny tokoa ilay fomba fitenenana hoe : « mampiteny ny moana« , entina ilazana zavatra tsy fahita sy mahagaga.Olona noheverina fa momba sy tsy afa- niteraka intsony no tera-dahy , olona moana sy nanao baiko tànana no indro fa afaka niteny .Ary raha vantany vao nisokatra ny vavany dia nidera an’Andriamanitra .Raiki-tahotra ny mpiara-monina rehetra raha nahita izany toe-javatra izany sady nahatsapa fa miasa mahery ao ambadik’izany rehetra izany ny tànan’Andriamanitra . Mahagaga ny fahasoavan’Andriamanitra , mahagaga ny fahatongavan’i Jesoa tety an-tany hamonjena antsika , ary ny anarany rahateo dia nantsoin’ny mpaminany Isaia hoe : « Mahagaga« . Mifalia fa nahay zava-mahagaga ny Tompontsika .

Fanontaniana :

Inona no fomba amin’ny Fiangonana hitoriana ny Filazantsara amin’ny olona manana fahasembanana (moana , marenina)?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM