Ny mpitory ny Filazantsaran’ny fahasoavana

Mofonaina anio: Alarobia, faha 29 Jolay 2020

2 TIMOTY 2.1-13

2 TIMOTY 2.1-13
1 [Famporisihana an'Timoty haharitra tsara, na dia azom-pahoriana aza] Koa ianao, anaka, dia aoka hihahery amin'ny fahasoavana izay ao amin'i Kristy Jesosy. 2 Ary izay zavatra efa renao tamiko teo anatrehan'ny vavolombelona maro dia atolory ny olona mahatoky, izay hahay mampianatra ny sasany kosa. 3 Miaraha miaritra ny mafy amiko ianao tahaka ny miaramila tsaran'i Kristy Jesosy. 4 Ny miaramila manafika dia tsy mba misy maningo-tena amin'ny raharahan'izao fiainana izao. mba hahafaly izay efa nifidy azy ho miaramila. 5 Ary raha misy manezaka amin'ny filalaovana, dia tsy satrohana satro-boninahitra izy, raha tsy manezaka araka ny lalàna. 6 Ny mpiasa tany izay misasatra no tokony ho voalohany handray ny vokatra. 7 Diniho izay lazaiko, fa homen'ny Tompo fahazavan-tsaina ny amin'ny zavatra rehetra ianao. 8 Tsarovy Jesosy Kristy Izay natsangana tamin'ny maty, dia Ilay avy tamin'ny taranak'i Davida, araka ny filazantsarako, 9 izay iaretako fahoriana hatramin'ny fatorana aza, hoatra ny mpanao ratsy; nefa ny tenin'Andriamanitra dia tsy mba voafatotra. 10 Izany no iaretako ny zavatra rehetra noho ny amin'ny olom-boafidy, mba hahazoan'ireny koa famonjena. dia izay ao amin'i Kristy Jesosy. mbamin'ny voninahitra mandrakizay. 11 Mahatoky izao teny izao: Fa raha miara-maty aminy isika, dia hiara-belona aminy koa; 12 raha miaritra isika, dia hiara-manjaka aminy; raha mandà Azy isika, Izy kosa handà antsika; 13 fa na dia tsy matoky Azy aza isika, dia mbola mahatoky ihany Izy, fa tsy mahazo mandà ny tenany.

Ny mpitory ny Filazantsaran’ny fahasoavana

1-Vonona hiaritra ny mafy

« Miaritra ny mafy amiko ianao tahaka ny miaramila tsaran’i Kristy Jesoa « (and3)

Hafatr’i Paoly Apostoly tamin’i Timoty izay zanany mialoha kelin’ny hahafatesany izany . Mitaky fihafiana sy fiaretana ny asan’ny Evanjelistra , mihafy tahaka ny miaramila an’ady ka mahafoy ny zavatra rehetra miezaka manatanteraka ny asa tahaka ny mpihazakazaka , miasa aloha izay vao mijinja ny vokatra. Izany no atao mba hahazoan’ny olona mandre ny Filazantsaran’ny fahafahana ao amin’i Kristy Jesoa . Koa raha misy olona te-hitory ny fahafahana araka an’iKristy , dia tsy maintsy miomana hiaritra ny mafy ary vonona hiatrika fankahalana sy fanenjehana mba handraisan’ny hafa famonjena (and10).

2-Manantena handova fiainana mandrakizay

« Raha miara-maty aminy isika , dia hiara-belona aminy koa , raha miaritra isika dia hiara-manjaka aminy  » (and11,12)

Raha miaritra fahoriana ny mpitory Filaantsara dia ho fanehoana ny fiombonana amin’i Jesoa Kristy izany noho ny Filazantsara ihany no hitsangana amin’ny maty ka handova ny fiainana mandrakizay , satria ny fanantenana ao anatiny no mampiorina ny finoany haharetany fahoriana . Noho izany , izay rehetra mitory ny Filazantsara , ka miaritra fahoriana , izay mariky ny fiombonana fahoriana amin’i Jesoa Kristy no manana fanantenana handova ny fiainana mandrakizay .

Fanontaniana:

Raha miaritra fahoriana noho ny Filazantsara ianao , inona no nataonao? Ampy handovana fiainana mandrakizay ve ny fiaretanao noho ny Filazantsara ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM