Ny mpitory ny Filazantsara

Mofonaina anio: Talata, faha 09 Martsa 2021

1 TESALONIANA 2.1-12

1 TESALONIANA 2.1-12
1 Fa ny tenanareo, ry rahalahy, dia mahalala fa tsy foana ny fidiranay tat? aminareo; 2 fa rehefa nampahorina sy nisetrasetrana tany Filipy izahay teo aloha, tahaka ny fantatrareo ihany, dia sahy tao amin'Andriamanitray izahay hiteny taminareo ny filazantsaran'Andriamanitra, na dia be aza ny fanoherana. 3 Fa ny fananaranay dia tsy avy amin'ny fitaka, na ny fahalotoana, na ny soloky. 4 Fa tahaka ny nankasitrahan'Andriamanitra anay, ka notolorana ny filazantsara ho adidinay izahay, dia araka izany koa no itenenanay, tsy toy ny mila sitraka amin'olona, fa amin'Andriamanitra, Izay mizaha toetra ny fonay. 5 Fa tsy nanao teny mandrobo akory izahay na oviana na oviana, tahaka ny fantatrareo ihany, na nihatsaravelatsihy hanafina fieremana (Andriamanitra no vavolombelona); 6 ary tsy nitady voninahitra tamin'olona izahay, na taminareo, na tamin'ny sasany, na dia nanam-pahefana hahavaky tratra aza izahay, araka izay mah'Apostolin'i Kristy anay,. 7 Fa nalemy fanahy teo aminareo izahay, tahaka ny reny mitaiza ny zanany naterany, 8 dia toy izany no nahazoto anay, noho ny fitiavanay anareo indrindra; hanome anareo, tsy ny filazantsaran'Andriamanitra ihany, fa ny ainay koa aza, satria efa malalanay ianareo. 9 Fa tsaroanareo, ry rahalahy, ny fikelezanay aina sy ny fisasaranay; fa niasa andro aman'alina, mba tsy hahavaky tratra na dia olona iray akory taminareo aza, no nitorianay ny filazantsaran'Andriamanitra taminareo. 10 Hianareo no vavolombelona ary Andriamanitra koa fa masina sy marina ary tsy nanan-tsiny tokoa ny fitondran-tenanay teo imasonareo izay mino, 11 toy ny fantatrareo fa tahaka ny ray amin'ny zanaka no namporisihanay sy nampiononanay anareo isam-batana sy nananaranay mafy anareo, 12 mba handehananareo miendrika an'Andriamanitra, Izay miantso anareo ho amin'ny fanjakany sy ny voninahiny.

Ny mpitory ny Filazantsara

Fiangonana sy kristiana nahazo sitraka manokana tamin’i Paoly ny tao Tesalonika.Nahazo sitraka noho izy ireo nandray ny Filazantsara sy finoana Kristiana .Eto amin’izao mofonaina izao Paoly dia mampahafantatra fa ny mpitory Filazantsara dia

1- Miasa andro aman’alina (and 9)

Paoly Apostoly dia niezaka ho modely alain-tahaka .Tamin’ ny asa fitoriana dia nataony ho modely izy teo amin’ ny fomba fiasa indrindra rehefa mitory ny Filazantsara izy. Nanao asa tanana izy mba hananany fidiram- bola hanampy azy amin’ ny asa fitoriana .Io asa nataony io dia nokendreny manokana hamatsiana ny asan’Andriamanitra. Tsy mety tamin’ I Paoly mantsy ny nanome vesatra ny Fiangonana sy ny kristiana. Niezaka nizara maimaimpoana izany rahateo izy. Niasa maimaimpoana izy mba hahafahany nanao izany.Nikely aina, nanao ezaka manokana izy .Azo atao tsara ny manana antona asa mazava mba ho fanampiana ny tena amin’ny asa fitoriana ny Filazantsara .

2-Mananatra sy manabe toy ny ray (and 11-12)

Hery iray lehibe ho an’i Paoly ny nahafahany niasa ka nanohana ny asa nataony .Nanjary afaka nananatra ny Fiangonana izy tamin’izany toy ny fanaon’ ny ray amin’ ny zanaka ary nananatra .Ny hoe : mananatra toy ny ray dia mananatra amin’ ny fitiavana sy tsy mena- maso.Izao fananarana izao koa dia mikendry ny hananan’ ny mino fitondrantena mendrika ny Filazantsara . Adidy sy andraikitra izay mitory ny Filazantsara izany.

Fanontaniana:

Fomba nanao ahoana no enti- mananatra ankehitriny ?

Sampana Sekoly Alahady Foibe FJKM