Ny Mpitory ny Filazantsara
Mofonaina anio: Asabotsy, faha 09 Septambra 2023
2 KORINTIANA 10.12-18
2 KORINTIANA 10.12-18
12 Fa izahay tsy sahy hanao ny tenanay ho isan'ny sasany izay midera tena, na hampitaha ny tenanay aminy; fa tsy hendry ireny, satria manohatra ny tenanay amin'ny tenany sy mampitaha ny tenany amin'ny tenanay. 13 Fa izahay tsy mba hirehareha tsy amin'ohatra, fa araka ny ohatry ny voafaritr'Andriamanitra ho anjaranay, dia ohatra mihatra aminareo. 14 Fa tsy toy izay tsy mihatra aminareo izahay ka mihoatra ny faritry ny anjaranay; fa tonga hatrany aminareo aza izahay amin'ny filazantsaran'i Kristy; 15 tsy mirehareha tsy amin'ohatra amin'izay nisasaran'ny sasany izahay, fa manana fanantenana izahay fa rehefa mitombo ny finoanareo, dia hohalehibiazina ao aminareo izahay araka ny voafaritra ho anjarany, sady mbola handroso ihany 16 ka hitory ny filazantsara amin'ny tany any ankoatranareo, ary tsy hirehareha amin'izay efa vonona rahateo ao anatin'ny voafaritra ho an'ny sasany. 17 Fa izay mirehareha, dia aoka Jehovah no ho reharehany (Jery. 9, 23) 18 Fa tsy izay midera tena no ankasitrahana, fa izay derain'ny Tompo.Ny Mpitory ny Filazantsara
1-Mampifandray ny mpitory sy izay toriana
« ...Fa tonga hatrany aminareo izahay amin’ny filazantsaran’i Kristy » (and14) .Tao amin’i Paoly ny fahavononanan tanteraka hanitatra ny fitoriana ny Filazantsara .Tonga hatrany amin’ireto olona mila vonjy ireto i Paoly mba hitory ny Filazantsara. Tsy ny tenin’i Paoly ihany no tonga tao amin’ireo nitoriana fa hitan’izy ireo ny fitondrantenany ,ny fijoroany ho vavolombelona ,ny fombany .Araka izany dia mamboly fifandraisana eo amin’ny mpitory sy ny itoriana ny Filazantsara. Mampita fomba fiainana vaovao ho fijoroana ho vavolombelon’i Jesoa Kristy araka ny voalaza ao amin’ny Asa 1.8 hoe: « Ho vavolombeloko ianareo …hatrany amin’ny faran’ny tany »
2-Mikendry finoana
« ...fa manana fanantenana izahay fa rehefa mitombo ny finoanareo dia hohalehibiazina ao aminareo izahay…« (and15) .Adidin’ny mpitory Filazantsara ny mikolokolo sy mampitombo ny finoan’ireo amin’ny alalan’ny toriteny sy fampianarana samihafa.Tsy azo terena hanaiky ny maha-izy azy ny mpitory eo no eo ny olona, fa rehefa mitombo ny finoany dia tafatoetra ao aminy ny fanekena sy fanajana ny mpitondra sy ny mpitory Filazantsara. Ho anao mpitory, aza terena hanaraka izay fotoana fohy eritreretinao ny fahitana vokatra .
3-Tsy voafatotra amin’ny toerana iray ihany
« ka hitory ny Filazantsara amin’ny tany any ankoatrareo... » (and6) .Efa fantatr’i Paoly mialoha any amin’ny toerana hafa ny fitoriany Filazantsara .Tsy voafetra amin’ny toerana ny fitoriana ny Filazantsara .
Fanontaniana :
Mitondra inona eo amin’ny mpino ny Filazantsara ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM