Ny mpitory ny filazantsara

Mofonaina anio: Talata, faha 11 Martsa 2025

Marka 1. 1-8

Marka 1. 1-8
1 Ny niandohan'ny filazantsaran'i Jesosy Kristy, Zanak'Andriamanitra. 2 Araka izay voasoratra ao amin'Isaia mpaminany* hoe: Indro, Izaho maniraka ny irako hialoha Anao, Izay hamboatra ny lalanao (Mal 3. 1); [*Na: ao amin'ny mpaminany] 3 Injany! misy feon'ny miantso mafy any an-efitra hoe: Amboary ny lalan'i Jehovah. Ataovy mahitsy ny lalan-kalehany (Isa 40. 3), 4 dia niseho Jaona, izay nanao batisa tany an-efitra ka nitory ny batisan'ny fibebahana ho famelan-keloka. 5 Dia nandeha nanatona azy ny tany Jodia rehetra sy ny mponina rehetra tany Jerosalema, ka nataony batisa tao amin'ny ony Jordana ireny, rehefa niaiky ny fahotany. 6 Ary Jaona nitafy lamba volon-drameva; ary fehin-kibo hoditra no tamin'ny valahany, ary ny fihinany dia valala sy tantely remby. 7 Ary nitory izy ka nanao hoe: Avy ao aoriako Ilay mahery noho izaho, ka tsy miendrika hiondrika hamaha ny fehin-kapany aza aho. 8 Izaho efa nanao batisa anareo tamin'ny rano, fa Izy kosa hanao batisa anareo amin'ny Fanahy Masina.

« Ary Jaona nitafy lamba volon-drameva; ary fehin-kibo hoditra no tamin’ny valahany… » (And. 6)

Nomarihina manokana ny fitafin’i Jaona Mpanao Batisa eto. Fitafian’ny olona mahantra, sakafon’ny olona mahantra. Maneho ny iraka nampanaovina azy izany. Nialoha lalana an’i Jesoa Kristy Ilay nanaiky hahantra mba hamonjy ny mahantra izy. Modely amin’ny fanetren-tena ny mpitory ny filazantsara: amin’ny fitafy sy amin’ny fihinana. Amin’ny mpitory filazantsara, na dia ny fitafiana sy ny fihinana aza dia efa mitory filazantsara sahady. Koa adidin’ny mpitory filazantsara ny mitandro ny hasin’ny iraka nampanaovina azy izany mba hanamora ny fampitana ny filazantsara.

« Ary nitory izy ka nanao hoe: Avy ao aoriako Ilay mahery noho izaho, … » (And. 7)

Mbola tamin’ny fanetren-tena lehibe ihany no nitorian’i Jaona Mpanao Batisa an’i Jesoa. Nolazainy mihitsy fa « tsy miendrika hiondrika hamaha ny fehin-kapany aza » izy. Nietry i Jaona Mpanao Batisa mba hanandratra an’i Jesoa Kristy tamin’ny toriteny nataony. Toy izany ihany koa no tokony hataon’ny mpitory ny filazantsara. Jesoa Kristy no toriana amin’ny fanetren-tena rehetra. Jesoa Kristy no asandratra ao anatin’ny toriteny. Ka raha milaza ny momba ny tenany aza ny mpitoriteny dia milaza fanetren-tena mitarika ho amin’ny fanandratana ny fahalehibiazan’i Kristy.

Inona ny endrika fanandratanao an ‘i Kristy anaty toriteny?