Ny Mpitory Filazantsara
Mofonaina anio: Asabotsy, faha 02 Septambra 2023
Asan’ny Apôstôly 5,17-28
Asan'ny Apostoly 5,17 - 28
17 [Ny namatorana ny Apostoly rehetra, sy ny nitondrana azy teo anatrehan'ny Synedriona] Ary nitsangana ny mpisoronabe mbamin'ny namany rehetra (izay antokon'ny Sadoseo), fa feno fialonana izy, 18 dia nisambotra ny Apostoly izy ka nanao azy tao an-tranomaizina. 19 Fa nisy anjelin'ny Tompo namoha ny varavaran'ny tranomaizina nony alina, dia nitondra azy nivoaka ka nanao hoe: 20 Mandehana, ka mitsangàna, ary mitoria amin'ny vahoaka eo an-kianjan'ny tempoly ny teny rehetra milaza izany fiainana izany. 21 Ary rehefa nandre izany izy, dia niditra maraina koa teo an-kianjan'ny tempoly ka nampianatra. Ary rehefa tonga ny mpisoronabe sy ny namany, dia nampiangona ny Synedriona sy ny loholona rehetra tamin'ny Zanak'isiraely izy ka naniraka nankao amin'ny tranomaizina haka ny Apostoly. 22 Fa nony tonga ny mpiandry raharaha, dia tsy nahita azy tao an-tranomaizina; dia niverina izy ka nilaza hoe: 23 Ny tranomaizina dia hitanay mihidy tsara, ary ny mpiambina mitsangana eo am-baravarana; kanefa nony novohanay, dia tsy nahita olona tao izahay. 24 Ary ny lehiben'ny mpiambina ny tempoly sy ny lohan'ny mpisorona, rehefa nandre izany teny izany, dia niroahana ny amin'izay ho faran'izany. 25 Dia nisy tonga ka nilaza taminy hoe: Ireny lehilahy izay nataonareo tao an-tranomaizina ireny, dia indreo izy mitsangana eo an-kianjan'ny tempoly ka mampianatra ny olona. 26 Dia lasa ny lehiben'ny mpiambina sy ny mpiandry raharaha ka nitondra azy, nefa tsy nanao mahery, satria natahotra ny vahoaka izy, fandrao hotorahany vato. 27 Ary rehefa nentiny, dia napetrany teo anatrehan'ny Synedriona ireo, ary ny mpisoronabe nanontany azy 28 ka nanao hoe: Efa noraranay mafy dia mafy ianareo tsy hampianatra amin'izany anarana izany; kanjo, indro, efa nofenoinareo ny fampianaranareo Jerosalema, ka tianareo hankinina aminay ny ran'izany Lehilahy izany.
Asan’ny Apôstôly 5,17-28
Ny Mpitory Filazantsara
1- Afahana amin’ny fonja mihazona azy
«Fa nisy anjelin’ny Tompo namoha ny varavaran’ny tranomaizina nony alina, dia nitondra azy nivoaka» (and.19). Ny tranomaizina no nihazonana ny Apôstôly eto. Izany no hitan’ny mpisoronabe sy ny namany hisakanana ny Apôstôly amin’ny asa fitoriana ny Filazantsara. Naniraka ny anjeliny hanafaka ny mpanompony ny Tompo. Hainy ny mandrava ny sakana rehetra izay manelingelina ny asa fitoriana. Momba mandrakariva ny mpanompony Iz
2- Irahina
«Mandehana, ka mitsangàna, ary mitoria amin’ny vahoaka eo an-kianjan’ny tempoly ny teny rehetra milaza izany fiainana izany» (and.20). Ny iraka eto dia ny fitoriana amin’ny vahoaka eo an-kianjan’ny tempoly. Ny vontoatin’ny iraka ihany koa dia mazava : «mitory ny teny fiainana». Jesoa no mpaniraka, araka ny voalaza ao amin’ny Mar.16,15. Tsy sitraky ny Tompo ny fangejana atao amin’ny mpanompony. Izy Tompo ihany no manafaka ary maniraka amin’ny asa fitoriana ny Filazantsara. Aza avela hisy hihazona anao mihitsy
Fanontaniana
Inona avy no ataon’ny Tompo amintsika mpitory ny Filazantsara?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM.
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM.