Ny mpino vavolombelon’ny Tompo

Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 16 Septambra 2024

Filipiana 2, 12-18

Filipiana 2, 12-18
12 Koa amin'izany, ry malalako, tahaka ny nanekenareo mandrakariva, tsy fony teo aminareo ihany aho, fa ankehitriny dia bebe kokoa aza raha tsy eo aho, miasà amin'ny tahotra ny ny hovitra hahatanteraka ny famonjena anareo. 13 Fa Andriamanitra no miasa ao anatinareo na ny fikasana na ny fanaovana hahatanteraka ny sitrapony. 14 Ataovy ny zavatra rehetra amin'ny tsi-fimonomononana sy ny tsi-fisalasalana, 15 mba ho tsy manan-tsiny sady tsy misy fitaka ianareo, dia zanak'Andriamanitra tsy manana adidy eo amin'ny firenena meloka sy maditra, izay isehoanareo tahaka ny fanazavana eo amin'izao tontolo izao, 16 mitana ny tenin'ny fiainana, mba hisy ho reharehako amin'ny andron'i Kristy, ka tsy ho nihazakazaka foana aho na nisasatra foana. 17 Eny, na dia haidina ho fanatitra aidina eo amin'ny fanatitra ny fisoronan'ny finoanareo aza aho, dia faly ka miara-mifaly aminareo rehetra. 18 Ary aoka izany no hampifaly anareo koa, ary miaraha mifaly amiko.

Ny mpino vavolombelon’ny Tompo

1- Miasa amin’ny tahotra sy hovitra

« Miasà amin’ny tahotra sy hovitra hahatanteraka ny famonjena anareo » (and 12d). Efa mizotra amin’ny famonjena ny mpino. Ilaina ny mihazona izany famonjena izany ka izao no atao: manatanteraka ny fanompoana amin’ny fifaliana, amin’ny fanantenana, amin’ny fanetren-tena. Sitrak’i Paoly ny hananan’ny Filipiana toetra mifanaraka amin’ny Filazantsara. Tsaroany mandrakariva fa izay atao rehetra dia hitan’ny Tompo, na izay atao any amin’ny takona, na izay atao miharihary. Mijery an’i Jesoa Kristy Tompon’ny finoantsika. Tsy miherikerika na manao asa zara fa vita, araka ny baiko hoe: « Tanteraho ny fanompoanao » (2Tim4,5). Tsy maintsy miasa amin’ny tahotra sy hovitra àry isika. Ny Ntaolo aza mahafantatra hoe; « Aza ny lohasaha mangina no jerena fa Andriamanitra antampon’ny loha ». Miasà amin’ny tahotra sy hovitra. Fantatry ny Tompo hatrany izay ataontsika rehetra.

2- Miala amin’ny fimonomononana sy ny fisalasalana

« Ataovy ny zavatra rehetra amin’ny tsy fimonomononana sy ny tsy fisalasalana » (and14); Tena ilaina amin’ny fanompoana ny fanahin’ny fankatoavana. Tsy takatry ny sain’i Abrahama izay tian’ny Tompo hatao, fa nankato izy. Tsy takatry ny sain’i Noa ny ho tohin’ny baikon’ny Tompo fa nankato izy. Ireo zanak’ Israely izay matetika nimonomonona dia nahatezitra ny Tompo. Toy izany koa ny resaka fisalasalana, rehefa nisalasala i Jaona mpanao batisa ny hanatanteraka ny baikon’i Jesoa, dia hoy Jesoa taminy: « Ekeo ihany ankehitriny « (Mat 3, 15). Manatanteraka baiko isika ka mandeha amin’ny finoana.

Fanontaniana

Ahoana no handresena ny fanahiana sy ny fisalasalana?

Sampana Sekoly Alahady Foibe