Ny mpino miorina tsara

Mofonaina anio: Zoma, faha 20 Aogositra 2021

JAONA 14.12-14

JAONA 14.12-14
12 Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Izay mino Ahy, ny asa ataoko no hataony koa; ary hanao asa lehibe noho izany aza izy, satria Izaho mankany amin'ny Ray. 13 Ary na inona na inona no hangatahinareo amin'ny anarako, dia hataoko izany, mba hankalazana ny Ray eo amin'ny Zanaka. 14 Raha mangataka zavatra amiko amin'ny anarako* ianareo, dia hataoko izany. [*Na: mangataka zavatra amin'ny anarako]

Ny mpino miorina tsara

1-Manao ny asan’i Jesoa

Fanirian’i Jesoa tokoa araka izay voasoratra eto ny hanaovan’ izay mpanaraka Azy ny asany, ary hanao asa lehibe noho izay nataony aza mba hanomezam-boninahitra an’Andriamanitra avy amin’ny asan’ny Tompo. Ny Fiangonana no manohy ny asa nataon’i Jesoa ankehitriny. Koa raha miorina tsara, dia hanao mihoatra lavitra, ary lehibe tokoa. Ny Fanahy Masina mitari-dàlana sy manampy hahatanteraka ny asa. Jesoa nitsangana tamin’ny maty dia hanome hery lehibe, ary hiasa amin’ny alalan’ny mpino izay miorina tsara sy mamoa Azy satria manambara ny asan’i Jesoa. Mba ho anisan’izany isika satria mpiasa miorina tsara, vonon-kanao ny asan’ny Tompo vonon-kanao ny asan’Andriamanitra .

2-Atao amin’ny Anarany ny fangatahana atao

Tsy hoe : miasa , fa izay hiavahana amin’ny mpanatanteraka asa rehetra, ny fangatahana atao dia amin’ny Anaran’i Jesoa . Izy no naniraka sady tompon’ny asa . Miverina indroa ny hoe : amin’ny Anarako (14.13a,14b) . Ny fangatahana dia miantefa ny amin’Andriamanitra , ary mampanantena valiny antsika Izy . Nohamafisiny amin’ny mpino miombona taminy , ka hoy Izy :  » Raha miray Amiko ianareo , ka mitoetra ao anatinareo ny teniko dia anagataho izay tianareo na inona na inona fa ho tonga aminareo izany » (Jao 15.7) . Ataovy amin’ny Anaran’i Jesoa ny fangatahana satria mpino marina ianao, dia ampianaro koa ny hafa mba hahay hnagataka amin’ny Anaran’i Jesoa satria mpino toa anao koa izy, fa izay mangataka no homena. Ny mpino miorina tsara ao amin’i Jesoa dia tsy ho diso fangatahana .

Fanontaniana :

Manao ny asan’ny Tompo isika. Mba nataonao tamin’ny Anaran’i Jesoa ve ny fangatahanao ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM