Ny mpino miorina amin’ny finoana dia:

Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 30 Septambra 2024

Genesisy 35.9-15

Genesisy 35.9-15
9 Ary Andriamanitra niseho indray tamin'i Jakoba, raha tonga avy tany Mesopotamia izy, ka nitahy azy. 10 Ary hoy Andriamanitra taminy: Jakoba no anaranao; nefa tsy hatao hoe Jakoba intsony ny anaranao, fa Isiraely ny anaranao; dia nataony hoe Isiraely no anarany. 11 Ary hoy Andriamanitra taminy: Izaho no Andriamanitra Tsitoha; maroa fara sy mihabetsaha; firenena maro no hiseho avy aminao, ary hisy mpanjaka amin'ny haterakao; 12 ary ny tany izay nomeko an'i Abrahama sy Isaka dia homeko anao; ary ny taranakao mandimby anao koa no homeko ny tany. 13 Ary Andriamanitra niakatra niala taminy, teo amin'ilay niresahany taminy. 14 Ary Jakoba dia nanorina tsangam-bato teo amin'ny fitoerana izay niresahany taminy ka nanidina fanatitra aidina teo aminy sady nampidina diloilo teo aminy koa. 15 Ary ny anaran'ny tany izay niresahan'Andriamanitra taminy dia nataon'i Jakoba hoe Betela.

Ny mpino miorina amin’ny finoana dia:

1- Mahazo fitahiana

Rehefa niverina avy any Mezopotamia i Jakoba, hihaona amin’ny rahalahiny dia nisehoan’Andriamanitra, ka notolorany fitahiana. Ny fanomezan’ Andriamantra anarana dia manambara ny fahefana sy maha Izy Azy, ary manaporofo ny fifandraisany akaiky amin’ny mpanompony. Tsy natao hoe Jakoba intsony no anarany fa « Israely ». Fitiavana lehibe no azon’i Jakoba miaraka amin’ny fiovan’ny anarany. Ireto avy izany: hahazo taranaka maro mandimby, hisy mpanjaka maro sy firenena maro avy ao aminy, omena tany izy sy ny taranany (hiainana, hivelomana, hilevenana). Andriamanitra dia manolotra fitahiana ho an’izay miorina amin’ny finoana. Miorena tsara, ny Tompo dia tsy manadino fa manome fitahiana ho anao na dia mandalo lalan-tsarotra aza ny fiainana indraindray.

2- Manamafy ny fanekeny amin’ Andriamanitra

Andriamanitra dia niakatra niala teo amin’ilay nisehoany taminy. Izany hoe: milaza amintsika fa teo amin’ny olona Izy, ary nanaiky nifandray taminy. Nidina tety an-tany Izy nanetry tena hitovy amin’ny olona na dia Andriamanitra aza. Tanteraka tao amin’i Jesoa Kristy izany, ho fanatanterahana ny fanekena nataon’ Andriamanitra tamin’ny olona. Manavao ny fanekeny amintsika Izy, ho mariky ny famonjeny antsika sy izao tontolo izao. Nidina niala tamin’ny toerana mendrika Azy Izy, fa rehefa vita ny asany dia niverina any amin’ny izay naniraka Azy Izy.

Fanontaniana:

Lazao izay fantatrao momba ny teny hoe fitahiana.

Sampana Sekoly Alahady Foibe