Ny mpino mijoro vavolombelona dia :

Mofonaina anio: Asabotsy, faha 23 Aprily 2022

Salamo 116: 1-7

Salamo 116: 1-7

Ny mpino mijoro vavolombelona dia :

1 – Mamboraka fitiavana amin’ny Tompo

« Izaho tia an’i Jehovah » (and. 1): Ambaran’i Davida mazava ny fitiavany an’Andriamanitra. Izany dia setrin’ny fahatsapany ny fitiavan’Andriamanitra azy. Io fitiavana ny Tompo io no vy miaina, mahatonga an’i Davida ho sarotiny manoloana izay mikasa hanao zinona ny anaran’ny Tompo. Ho antsika ihany koa, manontany isa-maraina ny Tompo ho : « Ianareo koa va te hiala ? » Ny valintenintsika dia mazava tsara : Jesoa o ! tiako ianao, Ianao no antony ahavelomako. Inty aho, iraho Aho.

2 – Faly fa nohenoina

« Satria efa nanongilana ny sofiny tamiko izy » (and. 2): Ilay Tompon’ny tompo, Mpanjakan’ny mpanjaka no tsapan’i Davida fa nihaino azy. Tsy tahaka ny manam-pahefana eo amin’ny fanjakana, fa niteny hoe « antsoy Aho dia hovaliako ianao » (Jer. 33. 3). Maro ireo sahy mijoro sy mifaly fa hatramin’izao dia tsy miova io fomban’ny Tompo mihaino vavaka sy manome valim-bavaka io.

3 – Mahatsiaro afa-doza

Maro ireo teny anehoan’i Davida ny famonjena azy eto : « Miaro ny kely saina Jehova ; reraka aho dia namonjy ahy Izy (and. 6) , « Namonjy ny fanahiko tamin’ny fahafatesana Ianao, sy ny masoko tamin’ny ranomaso ary ny tongotro tamin’ny fahatafintohinana (and. 8). Mahatsiaro afa-doza i Davida. Isika ihany koa dia manoatra noho ny mpandresy na teo aza ireo loza mitatao teo amintsika noho i Jesoa Kristy Ilay mpiaro sy mampandresy antsika.

Fanontaniana :

Manomeza ohatra mivaingana maneho fa efa nisitraka valim-bavaka tamin’ny Tompo ianao.

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM